Basikety-BAL Elites 16: hifandona amin’ny City Oilers Ouganda ny Cospn, anio

Hanomboka, anio, any Cape Town Afrika Atsimo, ny dingana faharoa ny fifanintsanana amin’ny fifaninanana BAL (Basket ball Africa League), taranja basikety, ho an’ny vondrona F.

Hiakatra an-kianja, anio 22 novambra, amin’ny 11ora sy sasany antoandro, ny ekipan’ny Cospn, miatrika ny fifaninanana Elites 16, dingana faharoan’ny fifanintsanana amin’ny BAL (Basket Ball Africa League). Ny ekipan’ny City Oilers Ouganda ny hihaona voalohany amin’i Madagasikara, anio, araka ny fandaharan-dalao. Lalao voalohany, izay hotanterahina ao amin’ny Ellis Park Arena Johannesburg, kianja raitra mahazaka mpijery hatrany amin’ny 6300. Anatin’ny tanjaka tsara ny mpilalao rehetra, raha ny nambaran’ny mpanazatra ary manana ny herijika hifampitana amin-dry zareo Ougandais.

Tsiahivina fa nigadona tao Johannesburg, ny alahady 20 novambra teo, ny delegasiona malagasy, ka niatrika fanazaran-tena avy hatrany teo amin’ity kianja hilalaovana anio ity ireo mpilalao. Hanomboka anio ary hifarana ny 27 novambra izao ity fifaninanana ho an’ny vondrona F tanterahina ao Afrika Atsimo ity. Hahazo ny tapakila hiatrika ny BAL 2023 hatao any Kigali Rwanda, ny fiandohan’ny taona 2023, ny ekipa 3 mendrika indrindra isaky ny vondrona. Hanampy ireo ekipa 6 efa voafantina sy tafakatra ireo ekipa mendrika ireo ka hanome ny Elites 12, hiady ny amboaran’ny BAL 2023.

Raha hiverenana ny dingana voalohan’ny fifanintsanana natao teto Madagasikara, laharana voalohany i Madagasikara, rehefa nahazo fandresena nanoloana ny KPA Kenya sy ny Djabal Kaomoro, iray vondrona tamin’ny Cospn. Ekipa hatahorana, araka izany, i Madagasikara ary tsara toerana mihoatra amin’ireo ekipa mpifanandrina aminy ato amin’ity vondrona F ity.

 

Mi.Raz

Partager sur: