Vondrona D: hifampitana i Frantsa sy i Aostralia

Maivana ny mpifanandrina hifandona amin’i Frantsa, amin’ny lalao voalohany hataony, anio amin’ny 10 ora alina, amin’ny « Mondial 2022 », raha ny resaka mandeha eny an-dalambe eny. Boribory anefa ny baolina ka tsy mbola afaka ny hiteny izay ho mpandresy ny rehetra. Maromaro rahateo ireo mpilalao kalaza ao amin’ny ekipan’ny Les Bleus tsy hiakatra kianja noho ny ratra mahazo azy ireo. Miteraka ahiahy eo amin-dry zareo izany. Na somary tsy dia nahita vokatra loatra kosa aza i Aostralia, inoana fa hanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo, anio, hanohitra an-dry Mbappé sy ny tariny. Araka izany, mbola tsy afaka misioka na ny andaniny na ny ankilany fa ny kiririoka farany no hamaritra izay tafavoaky ny ala.

Hatreto, ny Frantsay aloha no be mpanaraka amin’ity lalaon’ny roa tonta ity. Na ny tombantomban’ny Bet aza manome tombony ny ekipan’i Didier Deschamps. Avo folo heny amin’ny kaontin’i Aostralia ny an’i Frantsa hatreto. Fa araho aloha ny lalao anio alina hamaliana izay tombantombana rehetra izay.

Andry F.

Partager sur: