Anisan’ny ahafantaran’ny maro ny faritra Vakinankaratra ny famokarana ny filàna ara-tsakafo rehetra sy ny fiompiana. Ankoatra izay, manan-karena toeram-pizahantany maro samihafa koa izy. Mampandroso sy mitazona ny maha izy azy ny faritra ny fananana izany. Mahatonga azy matanjaka ara-toekarena tena avo lenta.
Anisan’ny faritra heverina ho mahavita tena ara-tsakafo raha ny faritra Vakinankaratra,saingy mbola ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo any aminy. Tafakatra 60 % ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona. “Nidina ho 36% izany tao anatin’ny telo taona noho ireo ezaka maro samihafa ho fanentanana ny olona hihinana sy hanodina ny vokatry ny tany”, hoy ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Rakotovao Vy vato, raha nanontaniana teny Ivandry. “Maro amin’ireo tantsaha any an-toerana no tsy mihinana sy manjifa ny vokatry ny tany sy ny fiompiana ataony fa variana mivarotra izany ka antony mahatonga izany”, hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, ahitana toeram-pizahantany maro koa any amin’iny faritra iny. Toy ny any Tritriva sy Andraikiba. Ahitana farihin’ny tatamarina sy ny fasan’andriana ary ny rano mafana, 3 km andrefan’i Betafo. Misy riandrano na giraon-drano any Manandona. Ahitana torapasika sy dobokely azo ilomanosana ao ambanin’ny rano midoboka. Azon’ ny fianakaviana hanaovana “picnic” kely izany amin’ny atoandro. Azo hamelarana lay kosa izany amin’ny alina, ho an’ireo olona te hijanona any an-toerana. “Izahay sahy milaza fa ranomasina sisa no tsy hananan’ny faritra Vakinankaratra amin’ny lafiny fizahantany satria anananay avokoa ny karazana toeram-pizahantany voajanahary maro samihafa”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpitari-dia sady mpikambana eo anivon’ny ofisin’ny fizahantany any Vakinankaratra, Ramanantsoa Desiré. “Tsy izay ihany fa manana ny ala atsinanana ao Ambatolampy, ao amin’ny fokontany Mahatsinjo, izay anisan’ny tena mampiavaka ny faritra koa”, hoy hatrany izy.
Tsingin’i Mienjona
Anisan’ny zava-dehibe ary vao hita tamin’ity taona ity ny toeram-pizahantany antsoina hoe : “Tsingin’i Mienjona” ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Tsy mila mandeha lavitra intsony ny mpizahatany sy ny Malagasy dia mahita tsingy eto amin’ny Nosy. Hita 46 km miala eo Antsirabe ary adiny 3 na 4 eo ny lalana raha mandeha fiara tsy mataho-dalana ny tsingin’i Mienjona. Rehefa tonga any amin’ny fokontanin’ Ankafotra, distrika betafo, kaominina Mahaiza no miankandrefana miala eo amin’ny pk 15 misy ny toby fiofanana pasitera loteranina amin’ny lalan’i Betafo. Mandeha mianatsimo 25 km miala eo ary tonga any amin’ny fokontany Mahaiza. Tsy mbola tapitra fa mandeha 6 km avy eo indray ao anatin’ny fokontany Ankafotra ary mifarana eo ny lalana. Manomboka eo ny fankafizana ny zava-boahary mikasika ny tsingy misy any an-toerana. Anisan’ny nahita ny toerana i Sammy Randria, Malagasy mpankafy fizahantany sy mpandehandeha amin’ny bisikleta. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny ofisim-paritry ny fizahantany ary ny fikambanan’ny mpitari-dia nahafahana namantatra io toerana vaovao io, raha ny fanazavana voaray hatrany. Miavaka ny tsingin’i Mienjona raha oharina amin’ny tsingy hafa manerana ny Nosy. Tsy misy lalana manomboka ny faran’ny volana Oktobra. Volana Mai sy jona indray vao afaka miverina ny fitsidihana. Ankoatra izay, efa mahatsinjo an’Isalo amin’ny alalan’ny “fênetre naturelle” any an-toerana. Maharitra adiny 4 na 5 ary mety ho iray andro tontolo ny fitsidihana ny toerana, arakaraky ny fankafizan’ny olona azy.
1 hetsy isaky ny fetin’ny Paska ireo mpivahiny
Hatramin’izay, ny vahiny foana no misitraka sy migoka ny fankafizana ny zava-boahary eto Madagasikara. Mahatratra hatramin’ny 1 hetsy ireo vahiny sy Malagasy tonga manao fety any amin’ny faritra Vakinankaratra isaky ny fetin’ny Paska, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny ofisim-paritry ny vakinankaratra. Miteraka olana matetika ny tsy fandriampahalemana amin’ny fandehanana amin’ireo toeram-pizahantany maro samihafa eto Madagasikara. Efa tao anatin’ny 30 taona, miandrandra tombontsoa amin’ny toerana izay lalovan’ny mpizahantany ihany koa ny mponina, raha ny fanadihadiana natao. Miezaka hamoron’asa sy hametraka zavatra kely ho tombontsoan’ireo olona mipetraka manodidina ny toerana izy ireo. Mahatratra 9 035 ireo vahiny mpizahatany avy any amin’ny firenen-kafa tonga mizaha tany any an-toerana tamin’ny 2019, raha ny tatitra voaray avy amin’ny ofisim-paritra hatrany. Manodidina ny 6 218 kosa ireo Malagasy. Mampiditra 50% ho an’ny faritra ny tontolon’ny fizahantany raha ho an’ny faritra vakinankaratra manokana no asian-teny.
Nanatontosa : Mino