Samy mandroritra amin’izay tiana : niova fototra ny kolontsaina malagasy

Miverimberina hatrany ny hoe « manan-karena kolontsaina ny Malagasy ». Raha ny fahamaroana, ekena io. Rehefa miditra amin’ny maha harena azy, mahita zavatra hafa. Iray amin’ireny ity tranga ity.

Hira iray fa misy karazany maro no hikaloana azy. Ilay hirain’iza no tena « Imiangaly no manina » ? Misy an’iny tohiny lavabe iny ve ny « Izahay sy Malala »? Tahaka izany ihany koa ny fihinanana henan-kisoa na tsia. Niova fototra ny kolontsaina malagasy, hany ka mitsingilaila ny aty aoriana. Na efa fantatra mazava tsara izao aza fa tsy nisy teto ny kisoa fa biby vao nampidirin’ny vahiny, mbola miteraka resa-be maro ny nihinanan’ny Malagasy fahiny kisoa na tsia. Izany hoe, niteraka tsy fahamarinam-pototry ny kolontsaina malagasy ihany koa ny vanim-potoana. Tsy mba nampiasa soratra (na sary) rahateo ny Malagasy fahiny, hany ka ny saina no nitadidy, ny vava no nampita. Mety nisy ny very na tsy tafita !
… Ankoatra ireo, anisan’ny nanova ny fototry ny kolontsaina malagasy ny zava-nabosesiky ny vahiny ka noraisin’ny Malagasy bontolo. Matetika, ny tanora no tojo io tranga io. Tsy misy sivana, tsy misy fandanjalanjana fa  narapaka  avokoa izay nentim-bahiny.
Nihamaivana tsikelikely ilay kolontsaina

Samy nandroritra izay heveriny fa mety sy mahasoa azy ny Malagasy. Niongotra ilay fakan’ny kolontsaina malagasy. Na efa hita miharihary izao aza fa diso tanteraka ny filazana fa « ny vanim-potoana nahatongavan’ny vahiny teto no nitondra ny hazavana ho an’ny Malagasy sy i Madagasikara », dia mbola misy sahy manizingizina fa marina io ! Satria, ny fivavahana nentim-bahiny no nentin’ireo ampahana Malagasy ireo hanamarinan-kevitra fa tsy ny kolontsaina malagasy: « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary antampon’ny loha ». Vokany, voatery maka tahaka, mindrana sy misoloky ny an’ny hafa hatrany ny Malagasy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: