Raha jerena amin’ny tantara voarakitra ao anaty taratasy, efa mahaleo tena i Madagasikara. Na izany aza, nandalo fanjanahantany. Mbola misy farasisa navelan’io vanim-potoana io ankehitriny ny tontolon’ny fampianarana.
Tapitra ny fotoam-pialantsasatra. Miditra any an-tsekoly amin’izay ny mpianatra. Mandeha mianatra. Mianatra inona ? Mianatra ireo taranja voafehin’ny fandaharam-pianarana. Lesoka goavana be iray io. Tsy mifanentana velively amin’ny filan’ny fiarahamonina, filan’i Madagasikara, sns, ny fandaharam-pianarana eto. Tantara niseho nandritra ny ady lehibe voalohany sy faharoa. Hitondra inona ho an’ny taranaka malagasy ny mahay izany ? Manana harem-be (ambonin’ny tany, anaty tany, anaty ranomasina…) ny Malagasy. Satria, tsy tafiditra any anaty fandaharam-pianarana ny momba azy ireny (toerana, ilay harena…), tsy fantatry ny taranaka akory ny fisiany. Ny vahiny indray no tonga mitrandraka !
Tsy manana ny maha izy azy ny taranaka malagasy satria fandaharam-pianarana napetraky ny vahiny no hoentiny manabe ny zanany.
Tahotra, fitiavan-kely, fanaovana tsinontsinona
Tsy tokony hianatra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra ny zaza malagasy. Ny mifanohitra amin’io anefa no misy. Misy mampatahotra ve ny fanovana ny fotoana ahafahan’ny zaza mianatra any an-tsekoly? Eny, satria sarotra ny mahazo fanampiana avy any ivelany raha vao tsy manaraka ny baikom-bahiny. Teny malagasy no teny hoenti-mampianatra. Fa maninona no tsy io no atao fa ampianarina amina fitenin-drazam-bazaha ny zaza malagasy? Satria, sao dia mahay ka sarotra fehezina. Faharoa, ho mora baikoina satria efa zatra miloloha ny an’ny hafa !
Mila hamboarina manontolo sy ifotony ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Tsy iandrasana vahiny ny manatanteraka izany raha toa ka miala ny tahotra, ny fitiavan-kely, ny fanaovana tsinontsinona ny hafa !
HaRy Razafindrakoto