Andrarezin’ny hira malagasy. Henri Ratsimbazafy, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno… Hita ao aminy avokoa ny tontolo ananan’ny hira. Am-polo taona maro, mbola indreo fa re eo am-bavan’ny olona hatrany ny sanganasany…
Gazety Taratra (*): Tany amin’ny taona firy i Henri Ratsimbazafy no niditra teo amin’ny tontolon’ny hira ?
Henri Ratsimbazafy (-): Fahiny, raha mbola nianatra tany andafy aho dia efa nitendry sy nihira ho vadin’ny fianarana… Taona 1960, namoron-kira amin’izay. Teny frantsay no nampiasaina tamin’izany. Niakatra sehatra avy eo. Any ho any amin’ny 200 mahery ny isan’ny hira noforoniko. Ao ny efa voarakitra rakikira (K7). Misy ny hiram-pivavahana efa vita solfa sy solfezy.
* Hira tsy tontan’ny ela. Mahasedra vanim-potoana. Tsy lefy laza… Inona ny tsiambaratelonao ny amin’ireo ?
– Ny hira misy mihaino. Noho izany, mila milaza na maneho zavatra ny tonony. Manaraka ny lalanan’ny haisoratra. Ny feony manaraka ny lalanan’ny mozika. Omena sy apetraka amin’ny hajany ny mpihaino na ny mpijery. Izany hoe, ara-dalana (manaraka lalàna) ny zavatra atolotra ny mpijery. Noho izany, mila mandalina fa tsy mionona fotsiny amin’ny talenta. Misy drafitra arahina, ohatra, ny famoronana ny tononkira. Ampahany amin’ireny ny fahaizana voambolana. Iza amin’ireny no ampiasaina? Sns. Anisan’ny arofanina lehibe amin’ireo ny famerimberenana ao an-tsaina fa hitsaran’ny olona ahy ity zavatra ataoko ity any aoriana !
* Ahoana ny fijerinao ny mpanakanto misehatra eo amin’ny tontolon’ny hira, amin’izao vanim-potoana izao?
– Sarotra ny mitsara namana ! Manosika ny hira ny zavamaneno. Izany hoe, natao hampisongadina ny hira ny zavamaneno. Somary mifamadika kely izy io ankehitriny. Ny zavamaneno no misongadina kokoa. Amin’izao vanim-potoana izao rahateo, maro ny zavamaneno manaraka teknolojia vaovao. Jereo tsara anefa tamin’ny andron’i Edith Piaf. Piano iray fotsiny dia ampy. Manana ny maha izy azy hatramin’izao, anefa, ny hira nohirainy.
* Vanim-potoana lava no nilomanosanao ao anatin’ny hira. Mahavelona ve izy io ?
– Ny hira tsy dia mahavelona loatra eto Madagasikara. Raha ny 8%-n’ny vola azo amina seho iray fotsiny (ka lany tanteraka ny tapakila), ohatra, no azon’ny tompon’ny hira, efa tokony ho tsara izany. Saingy, tsy izay ny eto!
Tsetsatsetsa tsy aritra, nahazo nampivady ny fanaovana zavakanto tamin’ny asa fivelomana aho fony mbola niasa tao amin’ny « bureau d’étude »-n’ny Gara. Voasoratra mihitsy izany !
Nitafa : HaRy Razafindrakoto