Ambohimanarina: mpianaka mpivarotra rongony tra-tehaka

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny ramatoa iray sy ny zanany vavy mpivarotra rongony teny Ambodihady Ambohimanarina, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny fanamparitahana io karazan-java-mahadomelina io, nitaraina teny amin’ny polisy ireo manodidina. Nijery ifotony ny zava-nisy, araka izany, ireto farany. Sarona tokoa ny vehivavy iray teo am-pivarotana rongony amin’ny fonosana maromaro. Natao fanadihadiana, nibaboka ity tovovavy ity fa ny reniny ihany no maniraka azy hivarotra izany. Niroso tamin’ny fisamborana ilay ramatoa reniny ny polisy. Afenin’izy mianaka ireto amin’ny alalan’ny asa fanasan-damba ity asa ratsiny ity, saingy izao tra-tehaka izao.

 Tsiferana Randriatiana

Partager sur: