Fiompiana trondro an-tanimbary: mbola malalaka ny tsena ary tsy ahina ny aretina eto Madagasikara

Seha-pihariana anisan’ny miroborobo fatratra ny fiompiana tron­dro karpa sy tilapia eto an-toerana. Faritra ma­ro, ahitana mpiom­py karpa be in­drin­dra ary ma­nao izany ho fo­to-pivelomana ny faritra Analaman­ga, Itasy, Matsia­tra Ambony ary Vakinankaratra.

Nampidirina teto Mada­gasikara ny trondro karpa tamin’ny taona 1914. Lasa karazan-trondro be mpiompy indrindra izy io ankehitriny. Azo ompiana
amin’ny dobo na eny an-tanimbary. 3 400 t isan-taona ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana trondro an-dranomamy ka karpa sy tilapia no betsaka amin’izany. Anisan’ izany, ny ao amin’ny faritra Itasy sy Ankazobe, faritra Analamanga, izay niara-niasa tamin’ny tetikasa nokaraka­rain’ny ONG APDra, raha ny antontanisa voaray. Mamo­katra trondro 1000 t, ny faritra Betsiboka tamin’ny 2013. Nihena io vokatra io noho ny fiovan’ny toetrandro sy ny fampiasana fomba fanjonoana tsy ara-dalàna. Mitombo ny fitiavan’ny olona ireo trondro ompiana tao anatin’ny taona vitsy, raha ny fanadihadiana natao. Ankoatra ny fiompiana karpa an-tanimbary, maro mpisafidy ireo karazana karpa antsoina hoe «koï», hatao haingon-trano.
Ahazoana tombontsoa maro ny fiompiana trondro an-tanimbary ka antony mahasarika ireo tantsaha hanao izany. “Miakatra ny voka-bary, mihatsara hatrany ny fiasan’ny tany sy ny rano, sady mahazo laoka ihany koa”, hoy ny tantsaha mpiompy trondro, Ranaivo Samuel na antsoina hoe Dada Samy. Tsy maintsy mandalo fikarakarana manokana izany mba hahazoana vokatra. Toy ny fampiakarana tahalaka, fametrahana ny tata-belona na ny tatatra fiherena. Ezahina ny ahazoana rano eo ho eo amin’ny 90 cm, ao anatin’ny tata-belona. Tokony mahazo rano 50 cm ny haavon’ny rano eny amin’ny tanimbary. Amin’ny ankapobeny, tsy misy olana ny sakafon’ny trondro an-tanimbary raha vitsy ireo trondro ompiana. Afaka mamokatra sakafo hohanin’ny trondro ny tanimbary sy ny zezika ampiasain’ny tantsaha. Ankoatra izay, mihava ny foto-bary ny karpa, indrindra amin’ny karazana fambolem-bary toy ny tete. Manodidina ny 25 na 30 eo ny trondro ao anatin’ny tanimbary 1a, raha mivelona amin’ny ambin-tsakafo. Tsy maintsy mitondra fanampin-tsakafo kosa raha manodidina ny 100 izany. Nanomboka niompy trondro ny taona 2010 i Dada Samy. Nanaraka fiofanana mikasika ny fiompiana trondro izy mba hahazoana vokatra tsara eo amin’ny seha-pihariana. Niompy tilapia tany am-piandohana. Niova ho zanaka karpa 15 isa izany taty aoriana. Nampanatody sy nampiteraka trondro nanomboka teo. Mahavelona azy sy ny ankohonany io seha-pihariana io satria antom-pivelomana nampianarany sy nahavitan’ny zanany fianarana hatramin’ny farany teny amin’ny oniversite, raha ny fana­zavany. “Miha mivoatra sy mihatsara hatrany ny fiainana nandritra ny fotoana nanaovana ny fiompiana trondro hatramin’izay”, hoy hatrany izy. Mahazo zanatrondro 6 500 isan-taona tamin’ny reniny anankiray izy.

Tsimokaretina herpesvirose (KHV)
Nisy fikarohana sy fitiliana ny tsimokaretina herpesvirose (KHV) tamin’ny faritra efatra (Itasy, Analamanga, Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra). 110 ireo karpa nanaovana
fitiliana «biologie molécu­laire”, tao amin’ny FOFIFA. Tsy mbola nahitana aretina ny eto Ma­dagasikara, raha ny fikarohana. Ny fifanakalozana trondro no antony mahatonga ny aretina, raha ny fanazavana. Hitazomana ny tsy hisian’ny aretina, hama­fisina ny fepetra ara-pahasalamana momba ny fampi­dirana karpa eto Ma­da­gasikara, raha ny fanaza­van’ny teo anivon’ny ONG APDra. Ahena ihany koa ny fanafarana karpa avy any
ivelany. Hatsaraina ny fitantanana ny karazana karpa misy eto an-toerana. Tan­jona ny hanatsara ny vo­katra eto an-toerana sy hia-
la amin’ny fanafarana avy any ivelany. Tsy maintsy arahina tsy tapaka ny fahasalaman’ny trondro ho an’ireo mpiompy.
Azo tamin’ny karpa “koï” io areti-mifindra, tsimokaretina herpesvirose (KHV) io izay mety hahavoa ny karpa ankehitriny. Mahatratra 95% ny taham-pahafatesan’ny karpa raha voan’ny aretina. Toy izao ny fitrangan’ny aretina: misy tasy pentina fotsy sy mena, mandeha ra ary miofaka ny sofiny. Malemilemy, tsy misakafo, milentika ny masony (énophtalmie).

Mahavoasazy 2 hatramin’ny 10 taona

Hatramin’izay, olana sy sakana goavana amin’ny fampandrosoana ny halatra trondro. Efa maro ireo olona migadra amin’izany raha eto an-toerana. Miara-miasa ireo ONG, ny mpitandro filaminana sy ny minisitera miady amin’izany. Mampahafantatra ihany koa izy ireo fa misy lalàna mifehy io seha-pihariana io. Mahazo sazy 2 hatramin’ny 10 taona ny olona iray manimba na manapoizina toeram-piompiana na mangalatra ny biby fiompy. onitra 15 000 hatramin’ny 1 500 000Ar eo, araka ny lalàna lah 2001-004, andininy faha-13, andalana fahatelo, mikasika ny fitsipika ankapobeny mifehy ny Dina, izay tratra mandika izany. Ankoatra izay, efa maro koa ireo fiaraha-miasa eo anivon’ny orinasa sy ONG maro samihafa ary ireo tantsaha, hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro eto Madagasikara. Tanjon’ireny tetikasa maro ireny ny hamorona asa ho an’ny rehetra, hamokatra zanatrondro Tilapia sy Karpa tsara kalitao ary manara-penitra. Miisa 134 000 000 izany, raha ho an’ny tetikasa “Fihariana”, tamin’ny taona 2022, mba hamaliana ny filan’ny tsena manerana ny Nosy. «Mba hanatsarana sy hampivadiana ny eo am-pelatanan’ny tantsaha. Jerena manokana ny karazan-trondro ara- kalitao, azo akana taranaka sy tsy mbola misy fifangaroan-dra”, hoy ny responsable de zone eo anivon’ny ONG APDra eto amin’ny faritra Analamanga, Rakotondrazafy Nantenaina Patrick. Tsy maintsy mandalo laboratoara ny trondro, alohan’ny hiompiana azy eto an-toerana.
Maro mpanjifa ny trondro na dia lafo vidy mihoatra ny hena aza. Ny trondro karpa antsoina hoe “Cuir” no tena be mpitady amin’ny ankapobeny. Vitsy ireo tantsaha misafidy miompy azy satria karazan-trondro vitsy atody izy io. Maro ny otrikaina azo avy amin’ny fihinanana trondro. Manome fahasalamana sy tanjaky ny vatana izany. Mahatratra 70 kalôria ny 100 grama amin’ny trondro mahia. 200 kaloria kosa raha trondro matavy. Manodidina ny 3,6 g ny protéines, 1,0 g ny matières grasses, 0,23 g ny acides gras.12 mg ny Cholestérol, 11 mg ny Calcium, 43 mg ny Phosphore, 0,2 mg ny Fer, 67 mg ny Sodium ary 57 mg ny Potassium.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: