Sekoly mamolavola ireo tovolahy ho taninketsan’ny Foloalindahy ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi), ao Beravina Fianarantsoa. Maro ireo manamboninahitra ambony efa mitana andraikitra eto amin’ny firenena no nandalo tao amin’ny sekoly.
«Fahaizana – Fahendrena – Fandresena ». Io no tarigetra napetraky ny tomponandraikitra eo anivon’ny Semipi amin’ny famolavolana ireo miaramilakely, beazina sy volavolaina ao amin’ilay « Paradisa Faharoa ». Ny taona 1923 no nijoro voalohany ny sekoly teto an-drenivohitra. Ecole régimentaire d’enfants de troupe indigènes no anarana nentiny tamin’izany. Mamolavola ireo tovolahy ho lasa miaramilakely sy manaraka ny fomba fiainana maha miaramila. Nivoatra nanaraka vanim-potoana ny fianarana sy ny sekoly. Eo ambany fitantanan’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoron’ireo Tafika ny sekoly. Manaraka ny fenitra takin’ny toeram-pianarana rehetra ny sekoly. Madio, milamina satria beazina sy ampidirina ao an-tsain’ireo mpianatra izany. Tsy mbola manao ny asa maha miaramila na fanompoam-pirenena ireo mpianatra ao amin’ny Semipi fa mianatra toy ny mpianatra rehetra. Mipetraka hatrany kosa anefa ny fifanajana. Ny zandry manaja ny zokiny, izany rahateo ny toe-tsaina iainana mandritra ny fotoana hanalana azy ireo any amin’ny toe-tsaina sivily. Mari-pahaizana BEPC aloha hatramin’izao no takina amin’ireo mpianatra maniry ny hiditra kilasy faharoa ao amin’ny Semipi. Misy ny fampianarana ankapobeny sy teknika. Ho an’ny fampianarana teknika, mivoaka ivelan’ny sekoly ireo mpianatra no mianatra. Milahatra manaraka ny toromarika homen’ny lehibe mitondra azy ireo. Tanjona amin’ny fanomanana ireo tovolahy ireo dia ho lasa manamboninahitra. Misy koa anefa ireo miova lalana eny an-dalana. Ny hiditra hiofanana ho manamboninahitra ao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe anefa no tena tanjon’ireo mpianatra, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny Semipi teo aloha, ny Kly Rafidison Alain Bernardin. Hafa mihitsy ny toe-tsain’ireo mpianatra nandalo Semipi raha mitaha amin’ireo niainga avy any amin’ny sivily rehefa samy tonga ao amin’ny Acmil.
Miaina toy ny rehetra ireo mpianatra…
Na eo aza ny tebitebin’ny ray aman-dreny sasany manan-janaka mianatra ao amin’ny sekoly. Tsy araka ny feo miely fa miaina toy ny rehetra ireo mpianatra. Manara-dalàna kokoa aza raha miohatra amin’ireo mpianatra sivily ety ivelany. Manomboka miditra kilasy faha-10 (2nde), mipetraka hatrany ny fanajana ireo zoky. Izany rehetra izany manaraka ny rafitra sy ny fomba amam-panaon’ireo miaramila. Anisan’izany ny hoe « Ra-tanàna », fifampiantsoan’ireo mpianatra samy mitovy fiaviana. Misy mpianatra avy amina faritany enina rahateo ao amin’ny sekoly. Misy hatrany kosa ny mpitarika ireo mpianatra rehetra izay antsoina hoe « Voromahery ». Aorian’ny fahazoana ny mari-pahaizana bakalorea, miditra ao amin’ny kilasy fanomanana ireo mpianatra, izany hoe manomana ny hidirana ao amin’ny Acmil Antsirabe. Manamarika ny Semipi ny nandraisan’ny kaomandin’ny sekoly voalohany ny taona 1940, ny kapiteny Ramanantsoa Gabriel.
Iza moa ny komandy vaovao, ny Kly Hobindraza Donatien…
Tontosa ny zoma teo, ny famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandin’ny sekoly teo aloha, ny Kly Rafidison Alain Bernardin, sy ny kaomandin’ny sekoly vaovao, ny Kly Ndramanoro Hobindraza Donatien. Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Lanonana teo ambany fitarihan’ny lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Delphin. Nifanindran-dalana tamin’ity lanonana ity koa ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana vaovao 2023-2024 eo anivon’ny Semipi.
Ny Kly Ndramanoro Hobindraza Donatien, teraka ny 24 jona 1980 tao Mahajanga. Nivoaka avy ao amin’ny andiany faha-28, Acmil Antsirabe, raha faha-20 kosa amin’ireo Malagasy nitondra ny Semipi. Manana mari-pahaizana maro teo anivon’ny Foloalindahy. Anisan’izany ny « brevet de l’enseignement Militaire supérieur (BEMS2) », Ecole de guerre interarmées Sesko TNI, tao Bandung Indonésie. « Certificat du cours intense de la langue Indonésienne », Pusdiklat Bahasa, tao Jakarta Indonésie. Teo koa ny « Gestion des risques et catastrophe », tao EMP Bamako Mali. « Diplôme d’Etat-Major (EEM) » tao Fiadanana, ny jona 2017. « Diplôme de maintenance (EMTO) », Ouagadougou Bourkina Faso. Certificat 19°CPOS tao Fiadanana, ny taona 2006 – 2007. « Certificat sur la lutte contre la pollution Marine » (OLEP Antananarivo). « Certificat sur la gestion d’une crise sanitaire (RSMA) » tao La Réunion). Brevet TAP 003 (Troupes Aéroportées) 1°RFI Ivato sy 2° RPIMA La Réunion, ny taona 2003.
Nanatontosa : Jean Claude