Tsy mandry fahalemana i Toamasina. Lasibatra ny mpanao gazety iray miasa amina fahitalavitra tsy miankina manana foibeny tao Antananarivo miaraka amina vady aman-janany indray, ny alatsinainy 21 novambra, teo anoloan’ny tsenan’ Ambolomadinika tokony ho tamin’ny 6 ora sy 30 minitra. Nivoaka kely ny tokantranony izy telo mianaka mba hampiasa vantana andehandeha an-tongotra harivariva. Nataon’ny rainy tsangory ny zanany kinanjo, nosakanan’ny tovolahy iray ny vadin’io mpanao gazety io. Nanambana antsy lavalela teo amin’ny tendany ity olon-dratsy ity. Tsy vitan’io, nandrahona haka ny poketra nifatotra teo amin’ny andilany ilay jiolahy. Niezaka namaly izy mivady ka nalefan’ilay jiolahy avy hatrany ny antsy teo amin’ny tendan’ilay ramatoa. nisolifatra izany ka ny sandriny havia no rovitra. Nifatratra tany amin’ny kibon’ilay mpanao gazety ny antsy. Voan’ilay antsy, nianjera tamin’ny tany ilay renim-pianakaviana. Nipitika noho izany ilay ankizikely telo taona teo amin’ny dadany. ” Mbola hamaly sa hanome ilay poketra”, hoy ireo jiolahy. Vokany, nanome ilay poketra misy vola sy finday tao anatiny ity mpanao gazety ity sy ny vadiny.
Navotan’ny Bajaj
Bajaj sendra nandalo no sahy namonjy azy telo mianaka ireto. Nohitsiny tamin’ny Bajaj ilay jiolahy ka vaky nitsoaka. Nampiakatra ireo telo mianaka naratra mafy ilay mpamily. Nentin’io mpamily io teny anivon’ny hopitaly ireto lasibatra ireto. Tsy naka sarandalana ny mpamily sady tsy nisy vola rahateo ireto niharam-boina. Mbola nidiran’ny jiolahy tao an-tokotaniny anefa ireto fianakaviana mpanao gazety ireto ka lasa ny jirobe teny ambony tafo. Tsiahivina fa lasibatry ny olon-dratsy ny mpanao gazety miisa enina tao anatin’ny 10 volana. Nofofon’ny jiolahy ny ain’ny dimy mianadahy tamin’izy ireo.
Sajo/ Tsiferana R