Ankoatra ny vehivavy miteraka, ilain’ny rehetra ny fisian’ny mpampivelona eto amin’ny firenena satria antoky ny fahaveloman’ny aina izy ireny.
Hanasoavana sy hanampiana ireo mpiara-belona sy ireo vehivavy sahirana no tena anton’ny safidin’ireo olona manao ny asan’ny mpampivelona, raha ny fanadihadiana natao. “Asa masina ny asan’ny mpampivelona satria miantoka ny ain’ny reny sy ny zaza ka tsy azo atao ambanin-javatra”, hoy ny Rasazy Jemima eny 67 ha, raha nanontaniana. Ho azy manokana, sady antso no efa faniriana sy tiana hatry ny mbola kely izany. Ilaina toe-tsaina matanjaka, tsy matahotra ra, tsy saro-drikoriko ary mahafoy fotoana ny asan’ny mpampivelona, amin’ny ankapobeny. “Tsy mety reraka sy kivy na dia misedra olana aza indraindray eo am-panatanterahana izany”, hoy hatrany izy. Tsy maintsy mamonjy ny marary amin’ny fotoana rehetra, na faran’ny herinandro, na andro fety, na andro tsy fiasana, indrindra fa amin’ny alina. Ho azy manokana, efa mahay sy mahafantatra ary efa zatra izany ny fianakaviany ao an-tokantrano. Manana anjara andraikitra goavana eo amin’ny vehivavy miteraka izy ireo. Mikarakara ny reny sy ny zaza mandritra ny fitondrana vohoka, mandray an-tanana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ary manome tolotra fandrindram-piterahana ihany koa. Tanjona ny hiantohana ny fianakaviana tsirairay avy ho salama sy hampiroborobo ny fitondrana vohoka efa nomanina.
Ilain’ny rehetra
Ho an’ny any ambanivohitra manokana, tsy maintsy manararaotra mijery ny toe-pahasalamany ny marary iray rehefa tonga any amin’ny tobim-pahasalamana. Ankoatra izay, maka torohevitra momba ireo karazana tolotra isan-karazany, toy ny sakafo sy ny vaksiny ary ny fandrindrana fiainam-pianakaviana. “Manoro hevitra ireo marary ny mpampivelona sy manampy ary manome torohevitra ny amin’ny tokony hanelanelanan’ny mpivady ny fitondrana vohoka”, hoy i Noro, olon-tsotra nanontaniana. “Tsy ny vehivavy bevohoka na hiteraka ihany no tokony hanatona mpampivelona”, hoy ny Rasazy Jemima. Tokony hanatona ny mpampivelona ny vehivavy iray rehefa mahatsiaro tsy fahasalamana na olana amin’ny vatany. Mila torohevitra mikasika ny fanabeazana aizana sy fahasalamana ara-pananahana ny tanora. Ho an’ny vehivavy mitondra vohoka, tokony hanatona mpampivelona manomboka eo amin’ny fahatelo volan’ny kibony. Manao échographie intelo mandritra ny fitondrana vohoka sy misafo isam-bolana. Mba hanarahana ny toe-pahasalamany sy ny zaza ao an-kibo mandra-pahaterany. Rehefa tena akaiky kosa ny hahaterahan’ny zaza, lasa isaky ny herinandro izany. Hanomezana torohevitra maro samihafa ho an’ny vehivavy bevohoka.
Asa mifanampy ny mpampivelona sy ny renin-jaza
Tsy mifanipaka fa mifanampy na dia misy maha samihafa azy aza ny asan’ny mpampivelona sy ny renin-jaza. Any ambanivohitra, ohatra, miara-miasa amin’ny hopitaly izy ireny. Olona nandranto fianarana nandritra ny taona maro vao afaka manao mpampivelona. “Talenta kosa ny renin-jaza, izay tafiditra ao anatin’ny fitsaboana nentim-paharazana ihany koa izy io”, hoy ny filohan’ny ANTM, ny Dr Ratovoson Andriamihaja, raha nanontaniana. Mbola mampiasa ireo karazana fitaovana fampiasa tamin’ny andro fahiny, indrindra rehefa saro-piterahana, ny vehivavy bevohoka iray. Toy ny fanosehana, fanjaitra, fikikisana ny tolam-baravarana sy rindrina efatra, mampiasa laclé gasy… Ho an’ny mpampivelona indray, mampiasa fanafody sy tsindrona izy ireo.
Bevohoka manaja ny fomban’ny Ntaolo
Na dia eo aza ny fandrosoana entin’ny vahiny sy ny siantsa, mbola maro amin’ny vehivavy malagasy ny manaja ireo fombafomba napetraky ny Ntaolo, ankehitriny. Ho an’ny vehivavy bevohoka manokana, maro ireo fady napetraky ny Ntaolo. Tsy fanao ny mandika famaky sy fanoto fa mahabila zaza. Tsy fanao ny mandrovitra ravin-tsaonjo fa mahasima zaza, tsy azo atao ny manao sakamalaho am-paosy sao mihoatra ny rantsan-tongotry ny zaza. Tsy azo atao ny mifanolotra atody na manao izany am-paosy, tsy mahazo mipetraka an-tokonana, mipetraka ambony laona, tsy mitondra vorivorin-kofehy fa mampisadikatra tadimpoitra… Tsy ny fady ihany no tena ninoan’ny Ntaolo fa nisy koa ireo torohevitra tsy maintsy narahin’ny vehivavy bevohoka. Toy ny tsy maintsy misikina rehefa mipetraka, tsy azo asiana olona ny varavarana rehefa hiteraka fa mahasaro-piterahana…
“Hita misy fiantraikany amin’ny vehivavy hiteraka ny tsy fanajana ireny fepetra ireny indraindray”, hoy hatrany ny Rasazy Jemima. Raha sanatria ka misy fahasarotany ny mpiteraka iray, mbola manana ny heriny ny fampiasan’ny reninjaza ny fanosehana, ny fampisotroana ny ranona lakile gasy, fandinganana ny kibo, fihinanana lavenona, raha ny fanazavana.
Nanatontosa : Mino