Voasambotra taorian’ny vela-pandriky ny polisy ilay lehilahy isan’ireo mpivarotra rongony amin’ny mpianatra eto an-drenivohitra. Tratra, afakomaly tolakandro, teny Ambohijatovo izy rehefa nahazoana fitarainana maro samihafa. “Isan’ireo mpamatsy rongony amin’ireo mpianatra manodidina ny sekoly eny Amparibe, Mahamasina sy Ampefiloha sy ny manodidina ity lehilahy ity”, hoy ny polisim-pirenena. Vokany, mitaraina mafy noho ny ataony ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Tapaka tamin’izay fa hosamborina ny lehilahy. Ny talata teo, tratra tao an-trano fonenany izy. Sarona nandritra izany ny fonosana rongony 26 isa anaty harona lehibe raha miisa enina kosa ny tao anaty “sachet” kely. Amidin’ity jiolahy ity 10.000Ar ireo fonosana lehibe raha 5.000Ar kosa ireo fonosana kely, raha ny angom-baovao hatrany. Fantatra taorian’ny fanadihadian’ny polisy fa avy any Morondava ireo rongony amidiny rehetra. Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy.
Henintsoa H.