Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Vondrona Afrikanina ny famolavolana paikady hampiroboroboana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga, ho kitro hifaharan’ny fampandrosoana eto Madagasikara.
Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny “Agenda 2063” eo anivon’ny Vondrona Afrikanina i Madagasikara. Fandaharanasa mifantoka amin’ny fanomezana asa, amin’ny alalan’ny harena anaty rano, sy hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Sampan-draharaha iray eo anivon’ny Vondrona Afrikanina ny “Bureau Interafricain des ressources animales (AU-IBAR) hijerena ny paikady hamolavolana ny tetikasa, hampivoarana ny toekarena manga amin’ny sehatry ny jono sy ny fampamokarana anaty rano. Anisan’izany i Madagasikara. Tetikasa iray ao anatin’ny AU-IBAR kosa ny “fish gov 2”, hanatanterahana ny paikady voalaza etsy ambony. Tanjona ny hampamokarana ny atirano ho anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. Araka izany, hiara-hiasa amin’ny firenena ao amin’ny Vondrona Afrikanina ny Nosy malagasy, hanatrarana ireo paikady fampiroboroboana ny sehatry ny jono.
Fankatoavana
Natao teny Andrainarivo, nandritra ny roa andro, ny alatsinainy sy ny talata teo, ny atrikasa fankatoavana ny vokatry ny fanadihadiana nandraisana ny hevitr’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fampamokarana anaty rano eto amin’ ny ny firenena. Voafidy hanatanterahana ireo paikady ho fampiroboroboana ny sehatry ny jono eo anivon’ny Vondrona Afrikanina i Madagasikara. Tsapa rahateo fa miakatra ny taham-pamokarana sy ny fihinana hazandrano manerana ny Nosy. Ankehitriny, mahatratra 7kg isan’olona, isan-taona, ny taham-pihinanana trondro, raha 4,26kg izany teo aloha.
Henintsoa Hani