Kitra any ivelany: tsy manana klioba intsony i Cristiano Ronaldo

Tsy mpilalaon’ny Manchester United, klioba anglisy (MUFC)  intsony i Cristiano Ronaldo, mpilalao baolina kitra kalaza portogaly. Vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, tamin’ny talata teo. Noho ilay valandresaka nataony tao anaty fandaharana ka nilazany fa namitaka azy ny Manchester United, nanambara koa izy fa tsy manaja azy i Erik Ten Hag, mpanazatran’ny MUFC. Misy koa ireo mpilalao tsy mankafy azy ka miteraka olana be ho azy ireo ny fisiany eny ambony kianja.

Notoloran’ny klioba fisaorana manokana izy noho ny zava-bitany hatramin’izay. “Tiako mandrakizay ny Manchester United sy ny mpankafy azy fa tsy maintsy tapitra hatreho ny fiarahanay. Mirary fahombiazana feno sy tsara ho an’ny ekipa ny tenako”, hoy i CR7.

Tsy miteraka fikorontanana ho azy anefa izany tsy fananany klioba izany, nilaza izy fa “Fotoana tena tsara izao ary anisan’ny fanamby tsara ho ahy izao … Efa mifantoka aty amin’i Portugal ny saiko”.

Raha ny siosion-dresaka mandeha, mety hiverina ao amin’ny Real de Madrid Espaina ity mpilalao nandrombaka baolina volamena 5 ity, hanolo ny toeran’i Benzema, izay maratra amin’izao fotoana izao. Marihina fa i CR7 irery no mpilalao tsy manana klioba manao Mondial, amin’izao.

 

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: