Vato karangana : ahavitana fitaovana fanaingoana trano

Asa iray mahavelona olona maro ny asa fanaovana vato, efa miroborobo fatratra eto an-toerana ny fanaovana izany.

Ahitana izany ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Ho an’ny faritra Anala­manga manokana, ahitana izany ny etsy Ambohiman­gakely, Ivato, Isotry, Amba­tomirahavavy, Ambohimalaza, Itaosy… Efa nisy nijanona tamin’ny asa ny sasany tamin’ izy ireo noho ny tsy faham­pian’ny fitaovana ampiasaina amin’ny vato. Ahavitana latabatra fampiasa an-dakozia rehetra, trano fidiovana, carreaux, izay maro mpisafidy ny vato. Ahavitana haingon-jaridaina ihany koa. Ankoatra izay, ahavitana fasana miendrika fasam-bazaha natokana ho an’ny olona iray na roa. Ho an’ny eto Madagasikara, maro mampiasa ny vato karangana. Toy ny maroloko, mavokely, mainty, gris, granite jaune, marbrier, noir… “Tanjona ny hampiavaka ny tokantranon’ny olona, izay maniry ny te hanana zavatra tsara sy miavaka ary mateza”, hoy ny mpanao vato, ao amin’ny orinasa Ma­rovato etsy Ankadindravola Ivato, raha nanontaniana. An­ton’ny hisafidianan’ny olona izany, ny fahatezan’ny fitao­vana vita amin’ny vato sy manaingo ny trano, raha ny fanadiha­diana natao. “Amboa­rina indray mandeha ary lovain’ ny taranaka faramandimby izany”, hoy Rahajamanana Lova mpan­jifa. Maharitra herinandro eo ny fanamboarana izany.
Mahatratra hatramin’ny 600 000 Ar ny m2

Tsy ny olona manan-karena fa ireo Malagasy antonony ara-pivelomana no tena man­jifa ny vokatra vita eto an-toerana amin’ny ankapobeny. Manofinofy ny te hanana za­vatra tsara sy miavaka eo anivon’ny tokantrano ka mandany vola hividianana izany, raha ny fanadihadiana natao. Ma­nom­boka eo amin’ny 200 000Ar hatramin’ny 600 000 Ar ny vidin’ny iray m2 amin’ny vato, arakaraka ny karazany sy ny kalitaony. 3 800 Ar ny manoratra litera iray ho an’ny sora-bato. Manafatra vokatra avy any ivelany kosa ireo olona tena manan-karena noho ny laza sy ny voninahitra, raha ny fanazavana.
Misy olana matetika ny entana hafarana satria mivi­lana na tapaka ny vato, raha ny fanazavana hatrany. Ny kilaon’ny vato iray araka­raka ny karazany dia manodidina ny 50 000 Ar hatramin’ny
200 000 Ar eo. Miovaova ny vidin’ny entana raha eto amin’ ny sehatry ny tsena anatiny sy any ivelany.

Asa mahavelona raha ifotorana

Manan-danja eo amin’ny Malagasy ny vato, indrindra ireo vato sarobidy « précieux ». Harena an-kibon’ny tany ho an’ny eto Madagasikara izy. Entina hamelomana ny ara-tsosialy sy ara-toekaren’ny firenena ihany koa. Asa mahavelona ny fanamboarana vato, raha manao ny asany tsara ireo mpanao asa tanana. Anisan’ny orinasa manao vato ny Razafy Export, etsy Itaosy. Ho azy ireo manokana, manamboatra vato miendrika karazam-biby, boule, oeuf, galet… Misehatra amin’ny karazana vatohazo “bois” izy ireo, nanomboka ny taona 1997. Ho azy ireo manokana, mampiditra vato 30-40t isan-taona eo ho eo hatao akora. Mahavita 200t ny vokatra vitan’ izy ireo isan-taona. Nahitam-pihenana izany nandritra ny nisian’ny valanaretina covid-19 teto amin’ny Nosy sy ny fiakaran’ny vidin’ny akora ampiasaina sy ny milina ampiasaina. “Mahazo tombony hatramin’ny 30 tapitrisa isan-taona eo ny mpanao vato iray raha mandeha ny tsena”, hoy ny tomponanadraikitry ny Razafy Export, etsy Itaosy, Razafiherinante­naina Safidy.
Tsy azo kitihina ny kariera eny Fihaonana, manomboka eo amin’ny volana mai hatramin’ny avrily. Fady, mba hialana amin’ny filatsahan’ny havandra. Mampiasa fitaovana maro samihafa ny fandidiana sy fanamboarana ny vato ho lasa fitaovana azo ampiasaina. Misy ny natokana ho an’ny latabatra farany lava, toy ny 1m20 ny sakany ary 3m ny halavany. Voalohany, didina ny vato, akana ny refiny sy ny endriky ny vato arakaraka ny zavatra hamboarina. Atao polisage,… Tsy mampiasa vernis, izay mandany fotoana ela. Fasika sy lavenina no akora ampiasaina hampangirana azy.

Nanatontosa : Mino

 

Partager sur: