Minisitry ny Fitsarana: “Mitady lalana hamerenana ireo volamena isika”       

“Tsy sasatra mitady lalana ny fitondram-panjakana ny hamerenana eto amintsika an’ireo volemana any Kaomoro sy Afrika Atsimo”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, teny Faravohitra, afakomaly, momba ireo volamena avy eto Madagasikara, tratra tany Afrika Atsimo sy Kaomoro.

Ny mahasarotra ny famerenana ireo volamena tratra tany ivelany ireo ny rafitra fitsarana eto  amintsika tsy mitovy amin’ny rafitra fitsarana any amin-dry zareo, rafitra an. Tsy manana fiaraha-miasa ara-pitsarana amin-dry zareo koa i Madagasikara toy izay misy iarahana amin’i Frantsa sy i Maorisy, ohatra, izay nandalo fankatoavan’ny Antenimierampirenena malagasy.

Na izany aza, nohamafisiny fa tsy mamela ireo volamena ireo ny fitondram-panjakana malagasy, fa mbola mitady vahaolana hamerenana an’ireny eto Madagasikara.

Hohatsaraina ny fomba fiasa eo anivon’ny minisitera

Manohana ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ho amin’ny tombontsoan’ny rehetra ny Vondrona eoropeanina. Fantatra izany tamin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina, Sem Isabelle Delattre, ny minisitra Rakotozafy François, teny Faravohitra, afakomaly. Misy ny tetikasa miompana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fitantanana mpiasa sy ny fampahafantarana didim-pitsarana ary ny ady amin’ny kolikoly amin’izany. Vola 41 tapitrisa euros no natokana ho amin’izay hisitrahan’ny rehetra tamberin’andraikitra izay.

R.Nd.

Partager sur: