Fotodrafitrasa: misongadina ny Japoney

Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tetsy Anosikely ny ambasadaoron’i Japon, i Abe Koji, afakomaly. “Manana tetikasa maro eto amintsika ary mitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka i Japon”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona. Notsiahiviny ny fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa Ambatovy. Eo koa ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Toamasina ary koa ny fanamboarana ny tetezana ao Moramanga…

Efa an-taonany maro ny fifandrasaina ara-pirahalahiana sy fiaraha-miasa teo amin’ny firenena r oa tonta. Samy nanambara ny fahavonony hanamafy bebe kokoa ny fifandraisana efa nisy nandritra ny enimpolo taona ny andaniny sy ankilany.

Momba ny vondrom-pifankatiavana « Groupe d’amitié », mampifandray ireo parlemantan’ny firenena roa tonta kosa, voaresaka fa hohamafisina bebe kokoa ny fifandraisana ara-pirahalahiana efa mitsangana eo amin’ny Antenimierandoholona malagasy sy Japoney.

Synèse R.

Partager sur: