Fijerena sy fiahiana ny mpiasam-panjakana: nampiakarina ho 11% ny tetibola ho an’ny karama

Anisan’ny nisongadina tamin’ny famelabelaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, i Rindra Hasimbelo, ny momba ny volavolan’ny tetibola, ho an’ny taona 2023 ny momba ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Eo koa ireo fotodrafitrasa

Nambarany fa hiakatra hatrany amin’ny 11,9% ny tetibola ampiasaina amin’ny fandoavana ny karaman’ny  mpiasam-panjakana ho an’ny taona avy. Tsy misy ny fisondrotan-karama vaovao akory izany fa ny fampiharana anatin’ny herintaona ny fampiakarana nambaran’ny filoham-pirenena, ny volana mey teno ny antony mampitomboana io tetibola io. Manampy izany ny fanatsarana karama ho an’ny mpiasam-panjakana manana diplaoma fanampiny. Tafiditra anatin’izany koa ny fandraisana mpiasam-panjakana vaovao maherin’ny 9 000.

Fanalefahana ireo fepetra momba ny hetra

Etsy andaniny, nampatsiahivin’ny Minisitra fa mifototra sy miainga avy amin’ireo veliranon’ny filoham-pirenena ny tetibolam-panjakana. “Mifanandrify indrindra amin’ny lalan-tsain’ny  fampandrosoana “Emergence de Madagascar” izany“, hoy izy teny Tsimbazaza, afakomaly.

Natsidiny koa fa mitodika bebe kokoa amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, ny fampirisihina ny mpampiasa vola eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny indostria izany tetibola izany.  Eo ihany koa ny fametrahana fotodrafitrasa lehibe, anisan’ny mandray anjara amin’ny fampitomboana ny harinkarena faobe sy ireo fotodrafitrasa sosialy. Tombanana sy vinavinaina ho 4,9% ny tahan’ny fitomboan’ny harikarena faobe amin’ny taona ho avy.

Ezahina kosa ny fampitomboana isa ireo mpampiasa vola eto amintsika amin’ny alalan’ny fanamorana sy fanovana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola na ny “Loi sur les investissements”, mba ahafahana mampidi-bola. Eo koa ny fanalefahana ireo fepetra ara-ketra isan-karazany.

Hoferana ny volan’ireo Andrimpanjakana sy minisitera

Ampidirina anatin’ny ara-dalàna ihany koa ireo tsy mbola misehatra anatin’izany. Tsy vitan’izany. ” Hisy ny famerana ny sora-bolan’ny Andrimpanjakana sy ny minisitera mba tsy hisian’ny fatiantoka amin’ny teti-bola na “Déficit budgétaire”, manoloana ny fandaniana”, hoy ny minisitra.

Voatsiahy tamin’izany koa ireo tetikasa lehibe amin’ny taona 2023. Anisan’izany ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Ny fotodrafitrasa famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, ny fantsona lehibe mitondra ny “Pipeline” Efaho ary ireo fotodrafitrasa amin’ny sehatry ny fampianarana, ny fahasalamana ary ny lalana. Mitohy hatrany ireo ezaka efa natomboka toy ny fanorenana ozinina isaky ny distrika “Odof”, sy ny tetikasa fahazoana ny tanyna ny tetikasa “Titre vert”, ny toha-drano, ny fanorenana ny tanàna vaovao. Manampy ireo ny fiahiana ara-tsosialy…

Synèse R.

Partager sur: