Nidina tany Miandrivazo ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena voajanahary (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny faran’ny herinandro teo. Anton-diany ny fanaraha-maso ny fanorenana ny biraon’ny fitantanan-draharahan’ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Ampanasana Miandrivazo.
Ao anatin’ny vinan’ny filoham-pirenena rahateo ny “fanjakana manakaiky vahoaka”. Paikady mamaha ny olan’ny mpisehatra eny ifotony, manamora ny fikarakarana ny antontan-taratasy amin’ny seham-pihariana harena an-kibon’ny tany. Nojeren’ny minisitra ny pitsopitsony mbola ho vitaina amin’ity biraon’ny Bam ity.
Fari-pitrandrahana
Manan-karena ambanin’ny tany ny distrikan’i Miandrivazo, faritra Menabe., natolony tany an-toerana koa ny antontan-taratasy fahazoan-dalana ho an’ny fikambanana mpitrandraka volamena mivondrona ao anatin’ny fari-pitrandrahana (zone d’encadrement). Tanjona ny fampidirana anaty ara-dalàna ny mpisehatra. Nankasitraka tanteraka izany ireo mpitrandraka.
Niresaka tamin’ireo mpandraharaha tany an-toerana koa ny minisitra Rakotomalala Herindrainy, nampahafantarany ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Nisy ny fotoana nihaonany tamin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana sy ny ao amin’ny fitantanam-paritry ny harena an-kibon’ny tany.
Njaka A.