Manaitra ny rehetra ny Banky iraisam-pirenena fa tena maika ny fikarohana vahaolana aty Afrika manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Notateriny fa raha ny tombana nataon’ny Bad, mila vola 2,8 miliara dolara i Afrika hamatsiana ny fiatrehana ny fiovan’ ny toetr’andro, ho an’ny taona 2020 hatramin’ny 2030. Tsy mahazo afa-tsy ny 3%-n’ny famatsiam-bola mikasika ny fiovan’ny toetr’andro ny firenena aty Afrika. Avy any amin’ ny sehatra tsy miankina ny 14%-n’io famatsiam-bola io. Aty Afrika ny 3,8%-n’ny fanapariahana ny entona karbonika na « Gaz à Effet de Serre » (GES), fa ny firenena mandroso any amin’ny tapany avaratry ny haibolantany no tompon’antoky ny 90%-n’izany.
Nihena 7,1% ny famatsiam-bola
Izany hoe, mizaka ny lanjan’ny krizy ateraky tsy nataony ny firenena an-dalam-pandrosoana, nefa vao mainka mihena ny famatsiam-bola tokony hitondra fampandrosoana ho an’i Afrika. Manamarina izany ny nampihenana 7,1%, ny tetibola hampandrosoana ny asa ho an’ny vahoaka (APD), ho an’ny firenena afrikanina ao anatin’ny OCDE ny taona 2022 miohatra ny taona 2021.
Manoloana ireo milaza ny Banky iraisam-pirenena fa mila mitady vahaolana haingana ny Vondrona iraisam-pirenena, mialoha ny fihaonamben’ny Firenena mikambana miompana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, Cop 28. Tokony tanterahina izay nifanarahana tamin’ny Cop 27 natao tany Egypta farany teo. Marihina fa tanjona ho faritana amin’ny Cop 28 ny hamerana ho 1,5°C ny fitomboan’ny hafanan’ny planeta tany.
Njaka A.