WWF: mananika ny 70% ny fanjavonan’ireo bibidia

Manjavona tsikelikely vokatry ny fahapotehan’ny tontolo iainana ny 70%-n’ny bibidia maneran-tany nanomboka ny taona 1970 araka ny tatitra planeta velona 2022 avy amin’ny WWF.  « Mitaky ezaka avy amin’ny tsirairay indrindra avy amin’ireo vondron’olona ifotony ny fiarovana ireo biby ireo », araka ny nambaran’ny talen’ny WWF eto Madagasikara, Nanie Ratsifandrihamanana omaly. Mila imasoana ny fironana tsikelikely amin’ny fampiasana angovo azo havaozina fa tsy mijanona intsony amin’ny fitrandrahana mamotika ny tontolo iainana. Entina hisorohana izany, niroso tamin’ny fanatontosana ny tatitra planeta velona ny WWF nanomboka tamin’ny taona 1994. Andiany faha-14 ity tontosa ny taona 2022 ity. Ho an’i Afrika, mananika ny 66% ny faharinganan’ireo bibidia hatramin’ny taona 2018.

 

Tsiferana R.

Partager sur: