Beparasy Ankazondandy: « Mbola miriaria any ny mpanimba ny ala », hoy ny fokonolona

Misaotra ny tompon’andraikitry ny fitsarana rehetra ny fokonolona ifotony any amin’ny kaominina  Beparasy Ankazondandy, distrika Moramanga, namoaka ny didim-pitsarana, nivoaka ny 18 novambra teo, nanameloka ireo olona voamarina fa namono nahafaty ny filohan’ny VOI Mialo, Rakotoarisoa Henri, ny 2 jona 2022. Isaoran’izy ireo koa ny firaisamonim-pirenena AVG, niantoka ny mpisolovava, ary mbola hanara-maso ny fampiharana ny didy.

Ankoatra izany, mangataka ireo fokonolona sy ny mpikambana ao anatin’ny VOI Mialo, ny tena hijerena ny fototry ny nahatonga ity vonoan’olona ity, satria nanaitra ny sain’ny tompon’andraikitra no nataon-dRatompokolahy, dia ny fandripahana ny harena voajanahary, ny fitrandrahana ny hazoala ala sy ny hazo sarobidy, izay heloka bevava, niafara tamin’ny namoizany ny ainy. « Koa, tsy misy idiran’ny fanjakana sy ny fitsarana ve izany ?”, hoy ihany izy ireo.

Tsy nisy andraikitra tato anatin’ny roa taona

Ho azy ireo, niaro ny harena iombonana  Rakotoarisoa Henri. Manana andraikitra amin’ny fanenjehana eo anatrehan’ny lalàna ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (Medd). Raisin’ireo fokonolona ho toy ny fiarovana ny mpanimba ny harena voajanahary ny tsy fandraisana fepetra manoloana ny antso efa nataon’izy ireo nandritra ny roa taona, niafara tamin’izao vonoan’olona izao, izay azo adika ho toy ny “maty vao Ramalala”.

Manaitra ny firaisamonim-pirenena ny fokonolona, tsy hijanona hatreo amin’ity raharaham-pitsarana teo iny, satria mbola miriaria any ny mpaniraka sy ny mpandika lalàna manapotika ny tontolo iainana tany Ankazondandy Beparasy, raha tsy handray andraikitra ny minisitera Medd.

Njaka A.

Partager sur: