Asa iray mampifoha ny talenta ao anatin’ny olona iray ny fanaovana hatsikana. Talenta ahafahana misokatra, ahitana fifaneraserana sy asa maro samihafa ihany koa izy io.
“Tsy mahavelona ny fanaovana ny hatsikana raha eto Madagasikara manokana satria miankina amin’ny fiantsoan’ireo mpiakaraka fety sy lanonana ny asany”, hoy ny mpanao hatsikana sady mpanentana, Herisolomahefa Honorat, raha nanontaniana tetsy Mahamasina. “Ny fanaovana zavatra sy fahitana lalan-kafa hitadiavam-bola avy amin’ny fanaovana hatsikana no mety hahavelona”, hoy hatrany izy. Toy ny fanaovana horonantsary, teatra, hira sy ny maro hafa. Nambarany fa tsy misy asa ny mpanao hatsikana raha tsy antsoin’ny mpikarakara fety sy lanonana amin’ny ankapobeny. 90% amin’ny mpanakanto eto an-toerana dia alain’ny mpikarakara hetsika sy fampisehoana avokoa, raha ny fanazavana hatrany. Mahavita mikarakara sy manatanteraka samirery ny fampisehoana ataony kosa ny 10 % amin’ny mpanakanto.
Lafo ny fanaovana fampisehoana iray amin’izao fotoana izao ka mahatonga ireo mpikarakara lanonana sy fety tsy maka mpanao hatsikana sy mpanentana, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny mpikarakara lanonana eto an-drenivohitra. Manodidina ny 30- 50 tapitrisa ny vola hanomanana satria andoavam-bola avokoa ny zava-drehetra atao aloha sy mandritra ny fampisehoana. Toy ny toerana, fanamisam-peo. “Tsy raharahin’ny olona ny fampisehoana hatao raha toa ka ratsy ny kalitaon’ny petadrindrina iray”, hoy i Honorat mpanao hatsikana. Manodidina ny 2000 Ar ny petadrindrina iray. 500 isa kosa ireo afisy aparitaka manerana ny toerana, raha te hahazo mpijery betsaka. Andoavam-bola ihany koa ny eny anivon’ny kaominina, ny Omda ary ny prefe amin’ny faritra hanatanterahana ny fampisehoana. Eo amin’ny 5% amin’ny tapakila atonta ny vola aloha amin’izany farafahakeliny. Tsy maintsy manamboatra “banderole”, raha tiana ho fantatra ny hetsika, indrindra ho an’ny faritra somary Ambanivohitra. Ankoatra izay, ny fanaovana doka varotra amin’ny haino aman-jery. Manodidina ny 70 000 sy 80 000 Ar isaky ny mandefa ny saran’izany. Mandeha im-polo izany fara-fahakeliny ao anatin’ny 1 andro ary maharitra 10 andro eo ho eo. Raha atao indray mijery ireo dia tsy vola kely ny fandaniana hikarakarana lanonana. Ankoatra izay, mihavitsy ny mpikarakara fety sy lanonana, misy ny mpanao hatsikana fa mirona amin’ny fakana mpanentana izy ireo, raha ny zava-misy.
Hatsikana sy ny fanatontoloana
Tafiditra ao anatin’ny kolontsaina ny fanaovana hatsikana. Somary takona sy efa manomboka tsy hita firy izany noho ny fiparitahan’ny teknolojia avy any ivelany. Na izany aza, miroboroboro ireo tanora mpanao hatsikana eto amin’ny Nosy. Manaparitaka ny sanganasany any amin’ny tambajotran-tserasera ny ankamaroan’izy ireo. “Olana ho an’ny mpanao hatsikana ny fitambaran’ny asan’ny mpilalao sy ny mpanoratra”, hoy hatrany i Honorat H. Asa samy manana ny azy ireo mba hahamatihanina ny asa nefa mbola tsy misy eto Madagasikara izany, raha ny fanazavany ihany. Ho azy manokana, miainga amin’ny fahitana zavatra iray ny aingam-panahy amin’ny fanaovana hatsikana. Mety ho amin’ny fihetsika na ny fiteny ataon’ny mpilalao no ivon’ny fampihomehezana. Ankoatra izay, mihomehy amin’ny hatsikana ataony ihany koa ny mpisehatra izany. Mikarama 500 000 na 600 000 Ariary isaky ny fampisehoana ny mpanao hatsikana iray eto Madagasikara, raha ny fanazavana voaray.
Fanalana rarintsaina ny hatsikana
Tian’ny olona kokoa ny fanentanana miharo hatsikana sy fampihomehezana eny anelanelany eny. Fanalana rarintsaina, mahatsara ny fo, fialamboly ary manala sorisory ny fijerena hatsikana, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny olona. “Manala hakamoana, mampavitrika ary mampihomehy ny hatsikana ataon’ireo olona manana talenta”, hoy i Lanto, olon-tsotra. “Mamelombelona ny fifandraisana sy ny fivoriana rehetra na eny anivon’ny fianakaviana na ny mpiara-miasa ny hatsikana sy ny fanentanana”, hoy i Voahirana, olon-tsotra.
Herisolomahefa Honorat, anisan’ireo mpanao hatsikana zokiny eto Madagasikara. 64 taona, avy any Toamasina fa monina eto an-drenivohitra. Raim-pianakaviana ary manan-janaka roa. Anisan’ny nahafantaran’ny olona azy ny fanaovany hatsikana. Nanomboka nanao izany izy ny taona 1993, rehefa tafahaona tamin’ireo namana mpanao hatsikana hafa. Nampitondraina ny lohateny hoe “Tokelaka” tao amin’ny televiziona malagasy. Nivadika ho “Fou’hehy” taty aoriana. Niova tranom-pamokatra ny fandaharana ka lasa ho “Torak’hehy” indray ny anarany tamin’ny 2002. Nilalao izany i Honorat, Eric ary Rafilômena (maty tamin’ny 2007). “Efa nampihomehy olona, hatry ny fahakely, rehefa misy fivoriam-pianakaviana”, hoy izy. Niitatra tamin’ny fanaovana fanentanana izany tamin’ny alalan’ny fiantsoan’ny olona sy ny mpikarakara hetsika. Talenta ny fanaovana hatsikana ary tsy misy fianarana manokana.. Anisan’ny hitiavana sy tsy hahafoizan’ny mpianany azy ny fanaovana izany any an-tsekoly.
Nanatontosa : Mino