Ahitra maniry sy ambolena izay efa miparitaka amin’ny faritra maro maneran-tany ny Vétiver. Mitondra soa eo amin’ny tontolo iainana sy ho an’ ny fahasalaman’ny olombelona koa izy io.
Ahitana izany ny any Inde, izay faritra niaviany, i Chine, Malaisie, Haïti, amin’ny ranomasimbe Indianina ary atsimon’i Afrika. Efa ahitana izany maniry ihany koa ny eto Madagasikara. Ambolena eny an-tanety ity karazana ahitra iray ity. Mahatratra 1 hatramin’ny 2 m ny haavon’ny raviny. Mitombo hatramin’ny 3 m eo ny fakany ao anaty tany. Nibodo toerana betsaka teo amin’ny fambolena ny voly vétiver tany amin’ny Nosy La Réunion, any amin’ny ranomasimbe Indianina. Kolontsaina sy fomba fanao iray tany an-toerana ny fampiasana io ahitra io mba hanamboarana trano. Niitatra ny fampiasana izany taty aoriana ka nampiasaina tamin’ny fomba maro samihafa.
Anisan’ny ahitana ahitra maniry sy betsaka indrindra ny any amin’ny faritr’i Betsiboka, any Tsiroanomandidy iny. Anisan’ny orinasa iray misehatra amin’ny fanaovana izany, ny L Red’Art any an-toerana. Orinasam-pianakaviana misehatra tamin’ny fanodinana izany ho asa tanana tao anatin’ny volana maromaro izy io. Miasa tena, mikaroka sy manatsara ny asa tanana ataony izy ireo mba hivelomana. Miara-miasa amin’ny tantsaha mpamboly sy ny isan-tokantrano izy ireo amin’ny fakana ny akora ampiasaina. Ho azy ireo manokana, ahavitana karazana asa tanana maro samihafa ny fakan’ny vétiver. Anisan’izany, ny tapis, pot, fitoeram-bilia, poketra…
Tsy mora simba ny fanaka vita avy aminy satria maharitra hatramin’ny 15 taona. Azo sasaina, azo apetraka eny an-jaridaina, mahatanty orana ary tsy matahotra masoandro ihany koa ny vokatra. Ankoatra izay, azo ampiasaina ho mololo ny fanapahana ny raviny.
Azo anamboarana satroka, seza… ihany koa izany. Miaro amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana ihany koa ny fampiasana ny voly vétiver. Azo atao ny manamboatra trano amin’ny alalany. Misoroka ny trano amin’ny hafanan’ny masoandro ny fampiasana ny mololo avy amin’ny vétiver. Alaina ny ravina rehefa manomboka mavo.
Saro-pady ny fakan’ny vétiver
Tsy mampiasa afa-tsy tanana ny orinasa mikirakira izany ho an’ny eto Madagasikara. Tsy maintsy andrahoina amin’ny kitay ao anaty barika ny fakana vétiver vao azo ampiasaina sy ahodina. Alaina any anaty tany ny fakany, sasaina , tapatapahina, avahana arakaraky ny fanaka tiana amboarina, andrahoina avy eo ary angonina ny raviny. Saro-pady nefa lalina ao anaty tany ny fakan’ny vétiver. Manodidina ny 30 sm ny halalin’ny lavaka atao raha haka ny fakan’ny vétiver, ho an’ny tany eny an-tendrombohitra. Mahatratra hatramin’ny 50 cm kosa izany ho an’ny morontsiraka satria malefaka kokoa ny tany. Manodidina ny 20 cm miala ny zavamaniry. Mba hahafahana misintona ny zava-maniry miaraka amin’ny fakany.
Manasitrana aretina maro ny fakany
Misy fofona manitra sy tsara be ny vétiver. “Hafa mihitsy ny fofona azo avy aminy ary azo atao hanitra ao an-tokantrano izany”, hoy Rakotomena Lydia, tompon’ny orinasa L Red’Art, raha nanontaniana teny Andohatapenaka, nandritra ny fier Mada, andiany faha-24 lasa teo. Any La Réunion, azo hamokarana ilo-menaka « huile essentiel » ihany koa ny fakan’ny vétiver. Amin’ny ankapobeny, ny fofon’ny vetiver dia tena mahery, vaovao. Miovaova arakaraka ny toetr’andro sy ny toetany izany. Ahazoana fofona manitra sy mahafinaritra ary mitondra tombontsoa maro izany. Azo ampiasaina hanamboarana sisin-dalana ihany koa ny fakan’ny vétiver. Ankoatra izay, azo atao fanafody maro samihafa ihany koa izy io. Anisan’izany, ny ody kohoka sy sery. Ampiasaina hanamaivanana ny aretim-bavony sy aretin’andoha izy io. Manampy betsaka amin’ny fandevonan-kanina ihany koa. Tsara ho an’ny fahasalaman’ny vatan’ny vehivavy, satria manampy amin’ny fiadiana amin’ireo areti-mifindra, mampitony ny aretin’ny fadimbolana sy ny aretina mety mahazo ny taovam-pananahana.
Mbola vitsy ny Malagasy mahafantatra ny fisian’ity zavamaniry iray ity. “Ezaka ataon’ireo mpisehatra amin’ny fanodinana izany, ny mampahafantatra ny rehetra. Amin’ny alalan’ny fampirantiana ireo vokatra amina foara maro samihafa eto amin’ny Nosy”, hoy hatrany Rakotomena Lydia. Afaka miaina roanjato taona ny voly vétiver.
Nanatontosa : Mino