Kianja mainty Manarintsoa: saron’ny polisy ny mpivarotra rongony iray

Tra-tehaky ny polisy vao maraina, omaly, ny rangahy lehibe iray nivarotra ron­gony teny amin’ny kianja main­ty Manarintsoa. Olona teny amin’ny manodidina no nampandre ireo polisy mpanao fisafoana. Fantatra fa teny akaiky ny Vorodamba ity lehilahy ity no manao ity asa ratsiny ka dia voasambotra. Mbola nahitana fonosana rongony 60 isa tao anaty harona plastika izy. Teo no ho eo ihany, noentina teny amin’ny biraon’ny polisy ny tenany ka nanaovana famotorana. Nandritra izany, nilaza ity voasambotra fa azy ireo rongony ireo ary hamidiny eny Manarintsoa.
Ankoatra izay, taksiborosy iray mampitohy ny renivohitra sy Tanambe no voasakan’ny polisy teny Mora­rano Ivakaka. Tamin’io fotoana io, nahitana gony miisa telo feno rongony ilay fiara ka tsy navela nandeha intsony. Mpandeha miisa roa tao anatin’ilay taksiborosy no voalaza fa tompon’ireo zava-mahadomelina. Voa­sam­botra teo no ho eo izy roa lahy ka nanokafana fanadihadiana.

Henintsoa H.

Partager sur: