Vehivavy iray tratra alina no niharan’ny fanolanana faobe, afakomaly, tao Ambatomanga, faritra Amoron’i Mania. Ankehitriny, efa voasambotra ny roa lahy tamin’ireo voalaza ho nahavanon-doza.
Tranga mampalahelo. Vehivavy iray manodidina ny 30 taona, niharan’ny fanolana faobe, afakomaly tokony ho tamin’ ny 11 ora alina tao Ambodimanga, andrefan’ny tetezana Amboay Ambositra. Nifanena tamina lehilahy miisa efatra izy ka nantsoin’ireto farany. Avy eo mbola naira-nisotrosotro tamin’izy efa-dahy ilay vehivavy. Taorian’ izay, nanamparan’ireo lehilahy ireo ny filan-dratsiny ka nifamdibiasan’izy ireo mihitsy ity vehivavy namany. Vokany, tsy nahatsiaro tena mihitsy izy.
Taorian’io, noentin’ireo fokonolona teny amin’ny hopitaly izy. Nampandrenesina momba ny raharaha ihany koa ny polisim-pirenena. Tsy izy efa-dahy ihany no nahavita ny filan-dratsiny tamin’io vehivavy io fa mihoatra ny folo mihitsy ireo olona nahavita izany, raha ny filazan’ireo fokonolona.
Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola nanamarina ity filazana ity ny polisim-pirenena ao an-toerana.
Roa lahy voasambotra
Taorian’ny antso voarain’ny polisy momba ity raharaha ity, nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana. Natao ihany koa ny fitadiavana ireo lehilahy voatondro nametaveta an’ilay vehivavy.
Vokany, tratra tsy lavitra teo ihany ny roa tamin’ireo voalaza ho nahavanon-doza. Ankehitriny, atao andrimaso ao amin’ny biraon’ny polisy izy roa lahy. Mbola karohina kosa ireo namany hafa. Aorian’izay, hiakatra fampanoavana ny raharaha. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, efa nahatsiaro tena ilay vehivavy. Efa namonjy fodiana ihany koa izy, hoy ny loharanom-baovao iray hafa.
Nambarany fa tsy naheno antso vonjy momba ity fanolanana faobe ity ireo manodidina.
Henintsoa Hani