Voatondro ho nitondra volamena: Sinoa efatra miandahy nahatrarana basy

Mitrandraka sady ma­moaka volamena an-tsokosoko, sarona niaraka tamina volamena tsy ara-dalàna ny teratany sinoa efatra tao Marovahy, Mananjary, afakomaly. Noho ny fahafantarana fisiana teratany nitondra volamena teny amin’ny lalam-pirenena, nanao fisavana ny teo anivon’ny mpitandro filaminana. Nanao vela-pandrika, sarona tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana marika Nissan ireo Sinoa efatra mianadahy voalaza ho nitondra volamena. Nentina teny anivon’ny birao natao fanadihadiana izy ireo. Rehefa nosavaina ny fiara, tsy nisy afa-tsy basy PA miaraka amin’ny bala 19 tao anaty fiara. Tsy mazava anefa ny taratasin’io fitavaovam-piadiana io. Na­tao fanamarihana amin’ny alalan’ny finday any Toliara, araka izany, ny fihazonan’ ireto Sinoa ireto io basy io. Araky ny tatitry ny lehiben’ ny fampanoavana ao Ma­nan­jary, nalefa nody ireto teratany sinoa efatra mianadahy ireto taorian’ny fitanana an-tsoratra.

Nampanon­tany tena ny mpitandro filaminana, araka izany, ny filazana fa nisy volamena tany amin’ireto Sinoa efatra ireto kinanjo basy no hita tao anaty fiara. Andrasana ny valin’ny fi­tsirihana avy any Toliara mahakasika ilay fitaovam-piadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: