Vaovao nafana, niteraka resabe sy fanehoan-kevitra maro ny mikasika ilay fitoriana an-dRatoa Ketakandriana Rafitoson sy Atoa Dominique Rakotomalala, samy tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana Transparency International Initiative Madagascar. Izay fototry ny disadisa nisy teo amin’izy ireo sy ny mpitory tsy hidirana lalina intsony, satria efa be ny voalaza. Tsy azo hodiana tsy hita kosa anefa ny zava-nisy, omaly.
Andaniny, nanao rano lava ny fanambarana nataon’ny fikambanana iraisam-pirenena teto an-toerana sy ny tany ivelany. Torak’izany ny teo anivon’ny masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika. Na tsy miteny mivantana fa nilalao ny fomba firesaka diplaomatika aza izy ireo, nazava ny hafatra nampitaina. Teo anefa no nipoitra ihany koa ny fomba fijery hafa nampiseho hambom-po ho an’ny sokajin’olona sy sokajin’asa sasany. Tahaka ny teo anivon’ny fitsarana, ohatra, nisy ny nilaza fa tsindry sy fijabahana amin’ny fiandrianam-pirenena malagasy sy ny asam-pitsarana ireny. Mialokaloka amin’ny sata misy azy ireo fiarahamonim-pirenena sy karazam-bovonana rehetra hanararaotana sy hanaovana faneriterena ankolaka na mivantana. Na inona na inona aloha lazaina, nandresy ireto farany. Taiza koa no nisy izany hoe fanemorana amin’ny fotoana tsy voafetra raharaha iray izany, kanefa vao eny amin’ny polisy?
Ankilany, handao ary horesahina kely ny momba ireto sampandraharaham-panjakana sy fitsarana napetraka mba hiady amin’ny kolikoly sy ny fanamafisana ny fampiharana ny lalàna ireto, anio. Mba manana ny fahaleovantenany tokoa ve izy ireny? Iaraha-mahalala tsara fa mpanao politika, nahazo fahefana no manendry azy ireo. Marina fa misy ny famatsiam-bola avy any ivelany, saingy ny fanendrena olona tsy maintsy avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy. Iza anefa no tsy mahalala? Vao toerana ambony sy stratejika tahaka ny Bianco sy ny Pac ary ny Samifin ohatra, miampy ny Arai, ilay mpanadihady momba ny harena tsy fanta-pototra dia miankina be dia be amin’ireo milaza azy ho tompon’ny fahefana tsy azo ihodivirana. Azo eritreretina ny resaka fitsinjarana toerana na ny “quota”. Amin’ny fomba ahoana aza no ahafahana mandrefy ny tsy fitanilana sy izay fahaleovantena izay, raha ny olona nametraka anao no tafiditra amin’ny raharaha hafahafa iray? Mazava be fa manana adidy hamaly babena izy ireny. Mbola mena ambanin’ny mena ihany koa
Raha fehezina ireo, ilay mpiasam-panjakana no lasibatra amin’ny raharaha tahaka itony. Hiroso maty raibe, hihemotra maty renibe, hoy ny fitenenana. Latsaka anelanelany, samy tantanana avokoa ny tsindry avy amin’ny mpifanandrina. Sarotra ny toeran’izy ireo, kanefa manana ny etikany manokana tsy tokony ho voavidin’ny vola sy voninahitra nahazo toerana koa anefa. Malalaka ny safidy!
r.r