Raharaha Ketakandriana- GEL: mitsipaka ny kolikoly ny sehatra iraisam-pirenena

Tohivakana ny fanehoana firaisankina. Namoaka fanambarana avokoa ny avy eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena. Anton’izany ny tokony ho niakaran-dRafitison Ketakan­driana teny amin’ny fampanoavana, omaly.
Anisan’ny nanao izany ny masoivohon’i Etazonia naneho ny fanohanany ny vahoaka sy ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena, indrindra eo amin’ny ady amin’ny kolikoly. “Toherinay marindrano kosa anefa ny hetsika rehetra manohintohina ireo ezaka fikatsahana fangaraharana sy tamberinandraikitra ary fahalalahana maneho hevitra”, hoy izy ireo.
Tahaka izany koa ny fa­nambaran’ny MMM. Anisan’ ny maha saropiaro azy ireo ny ady ho amin’ny fahalalahana maneho hevitra, ny fitakiana ny mangarahara ary ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitsarana tsy mitanila. “Efa nisedra noho ireo rehetra ireo ny mpikambana ato aminay, Randria­manana Jeannot ka rariny raha mankahery sy manohana ireo rehetra manohy ny ady”, hoy izy ireo.

Firenena iombonana ity
Notsiahivin’ny fanambaran’ny MMM fa manana adidy amin’izany ny olon-tsotra, ny mpisintona lakolosy, ny fiarahamonim-pirenena. “Firenena iombonana ity ary samy mitsinjo ny mahazo ny mpiray tanin-janaka avokoa isika”, hoy ihany izy ireo. Namoaka fanambarana koa ny antoko Tim, manohitra ny fampihorohoroana atao amin’ireo mijoro amin’ny marina. “Manantena antsika hiray feo hanoherana ny kolikoly”, hoy izy ireo.

Ireo masoivoho sy ny Vondrona Eoropeanina
Nanao fanambarana mitovy amin’izao avokoa ireo masoivoho samihafa eto amin­tsika. Anisan’izany ny Vondro­na Eoropeanina (UE), Frantsa, Alemaina, Norvezy, Grande Bretagne… Eo koa ny WWF. Tsiahivina fa notorin’ny Von­dron’ny mpandraharaha amin’ny letisia (Gel) ho nanendrikendrika sy nanevatevana, na­nakorontana ary ny fanambaniana nataon-dRafitison Ke­ta­kandriana azy ireo.
Marihina fa nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fandefasana ny antontan-taratasy avy eny amin’ny polisy ho eny amin’ny fampanovana. Tokony natao, omaly izany. Tsy misy fisamborana, tsy mi­sy fepetra ara-pitsarana hafa. Nangataka ny hampitsaharana ny fanenjehana, ny mpisolovava ny Transparency Interna­tio­nal Initiave Madagascar. Tsia­hivina fa voaantso niaraka taminy, ny filohan’ny fikambanana Rakotomalala Domi­nique.

Synèse R.

Partager sur: