Miantsampy amin’ny hazo tsy fantatra: mizotra amin’ny lalan-diso ny fanabeazana ny Malagasy

Ananan’i Madagasikara avokoa ireo singa rehetra mampijoro ny tany iray ho tonga firenena. Ao ireo mbola madio mangatsakatsaka fa misy koa ireo efa tsy tokam-pangaro intsony noho ny fidiran’ny zava-bahiny. Nanjary nahita ny tsy fahitany, nandre ny tsy fandreny, nanao ny tsy fanaony, sns, ny Malagasy. Nisy ireo niezaka nampifanatona ny zava-baovao tamin’ny efa nananany. Tsy vitsy koa anefa ireo nametraka ho fitaratra ireny zava-baovao ireny ka nampita izany ho an’ny taranaka taty aoriana.

Anisan’ny singa man­drafitra ny firenena iray ny fananany tany, ny fomba amam-panao, ny finoana, ny teny, sns. Nanana azy ireo sy nety taminy ary sahaza azy satria nampirindra ny fiarahamonina nisy azy ny Malagasy. Na izany aza, tany niharan’ny fanjakazakana i Madaga­sikara, hany ka lasa nifangaro tamin’iretsy singa mandrafitra ny maha firenena ny tany iray iretsy, ireo zava-bahiny nampidirina teto. Tsy nijanona hatreo anefa fa nitohy tany amin’ny fanabeazana ny maha olona ilay safiotram-pomba, safiotran-teny, safiotram-pinoana, sns, ka lasa nametraka endri-panabeazana sadasada sy manaraka lalan-diso.
« Tsara atao, manody ; ratsy atao manody », « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha », « Trano atsimo sy avaratra izay tsy mahalen-kialofana », « Ra­ha nanao no tsy nambinina, ampisambory fa havana ory », fomba nanabeazan’ny Malagasy ny taranany ireo. Niditra ny vazaha sy ny forongony. Nivadika ny rasa. Nobeaziny hatahotra « devo­ly » na « demony » ny Ma­la­gasy. Very ny tahotra ny tody. Nasainy nikatsaka diplaoma, very ilay « fanahy maha olo­na » fa izay ahazoana io baoritra io no maha maika. Rai­amandreny fotsy volo amin-tany, sahin-dry be diplaoma sy « tompon’ny hery » ny ma­mingavinga azy ireny. No­beazina hidio amin’ny zavaboarin’Andriamanitra tahaka ny hazo (mandravasarotra, fanazava, fanala sompatra…) ny Malagasy. Nopot­ehina tamin’ny alalan’ny fampidirana ireo fomba fanalana heloka samihafa nentin’ny vazaha izany ka « voavela ny helokao », rehefa lazaina azy !

Mila ialana fa tsy
mifanaraka…

Amin’ny ankapobeny, na­nana ny fomba nanabeazany sy nitaizany ary nampianarany ny taranany ny Mala­gasy. Nifanaraka tamin’ny lamina voajanahary teo aminy no nanatanterahany izany. No­tandremany ny fady. Notan­drovany ny aina. Natahorany sy nohajainy fatratra ny Za­nahary… Ny ankoatra ireny, ravindravina natentina ihany ka mila ialana fa tsy mifanaraka amin’io lamina voajanahary io. Beazina sy tezaina ahalala ny momba azy ny zaza malagasy. Atao izay ahafantarany ny tena momba azy marina. Aseho sy porofoina aminy fa sady tsy an’ny razany no tsy azy ireo fomba amam-panao mamohehatra izay efa manomboka sahy miseho sy aseho masoandro ankehitriny, sns.
Anisan’ny olana lehibe mianjady amin’ny Malagasy miaina izao vanim-potoana izao, te hanabe ny zanany hanaraka ny lamina voajanahary sy handova ny nataon’ireo teo aloha ny firoaroan-tsaina. Zary misabaka, ny eritreritra, hany ka lasa itrangana adihevitra « tsy misy fotony » ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Toa misalasala ireo raiamandreny hiteny amin’ireo olona beaziny fa : « rehefa fady dia fady », « aza manao an’io ianao fa tsy zakanao ny todin’io », « isika tsy mivaro-panahy », sns. Olana faharoa ilaina dinganina ihany koa ny tsy fahaizan’ny raiamandreny na ny ray aman-dreny manazava ny anton-javatra maro. Firy amin’izy ireo, ohatra, ny mahay manazava ny hoe : « ny Malagasy tsy mitsako alohan’ny vazana »…
Mila fanarenana goavana ny fanabeazana eto Madagasikara. Ny fanarahana ny lamina voajanahary sy ny fahaizana mampita ireo niainan’ny teo aloha no anisan’ny fomba haingana ahatongavana amin’izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: