14 oktobra 1958-2023 : 65 taona no nijoroan’ny Repoblikan’ i Madagasikara

14 oktobra 1958-14 oktobra 2023. Feno 65 taona katroka ny fijoroan’ny Repobli­kan’i Madagasi­kara. Inona marina? Misy milaza fa tena fetim-pirenena ny da­tin’ny 14 oktobra, nijoroan’ny firenena iray tsy mivaky amin’ny maha Repoblika azy. Tantara…

Nambara teny amin’ny efitrano filanonan’ny lycée Galliéni, Ando­halo, ny 14 oktobra 1958, ny fijoroan’ny Repoblikan’i Mada­gasikara, na tsy mbola niverina aza ny Fahaleo­vantena. Nanamarika izany ny hoe tsy ifandovana ny fitondram-panjakana, olom-boafidy ny mpitondra… Tamin’izay koa ny niredonana voalohany ny hiram-pirenena malagasy “Ry tanindrazanay malala ô”, nanoloana ny “Arovy ny mpanjaka” talohan’ ny 1895. Natsangana voalohany ny saim-pirenena mala­gasy: fo­tsy, mena, maitso. Napetraka ny teny filamatry ny Re­­po­blika: Fahafahana-Tanin­d­ra­zana-Fandro­­soana, niova isaky ny fiovan’ny Repobika. Ny ampitso, 15 oktobra 1958, foana ny lalàna naha zanatany frantsay an’i Madagasikara tamin’ny 6 aogositra 1896.

Nisy dingana ny
fijoroan’ny Repoblika

Talohan’ny 14 oktobra 1958, tao anatin’ny hoe “lalàna lasitra” i Madagasikara. Nolaniana tamin’ny 23 jona 1956 ny “lalàna lasitra”, ary nampiharin’ny minisitra misahana ny lafintany frantsay ivelan’ny ranomasina, i De­ferre, nanomboka ny marsa 1957. Fanomanana sy fiomanana ho amin’ny fizakana ny fahaleovantena ny governemanta najoro tao anatin’izay. Lasa filohan’ny Repoblika ny filoha lefitra, i Tsiranana Philbert. Nisahana ny andraikitry ny filoha ny Kaomisera ambonin’ny Repoblika, i André Soucadaux.
Nanangana ny Komity fakan-kevitra momba ny Lalàmpanorenana tany Fran­tsa ny jeneraly Charles de Gaulle, jona 1958. Nofaritana tamin’izany ny amin’ireo lafintany mpikamban’ny fiombonambe frantsay, izay manana ny fahafahany amin’ ny governemanta eo amin’ny sehatra anatiny. Ho an’ireo lafintany frantsay ivelan’i Frantsa, iaraha-manapaka amin’ny fanjakana frantsay ny momba ny fiarovana, ny raharaham-bahiny, ny toekarena sy ny vola… Teto Madagasikara, nanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ny amin’ ny fizakan-tena na tsia, ny 28 septambra 1958. Tsy fiarahana intsony amin’i Frantsa fa fizakan-tena tanteraka ny “Tsia”, ary ho eo ambany fiahian’i Frantsa ny “Eny” izay nandresy tamin’ny salanisa 77%. Nirosoana ny fananganana ny Repoblikan’i Madagasikara taorian’izay.

Nanangana ny Repoblika ny filoha Tsiranana Philibert

Niantso ny kongresin’ny mpanolotsaim-paritany teny Andohalo, ny filoha lefitry ny governemanta, i Tsiranana Phibert, ny 14 oktobra 1958. Nodinihina izay ho sata hitondrana an’i Madagasikara. Voafidy ny fananganana ny Repoblikan’i Madagasikara: vato 208 nanaiky, 26 nanohitra, enina ny mpanolotsaim-paritany tsy tonga. Ireo nivondrona tao amin’ny Cartel des republicains ireo 208 nanaiky ny fananganana ny Repoblika. Teo, ohatra, ny Parti social démocrate (PSD) naorin’ny filoha Tsiranana; ny Union des démocrates sociaux de Ma­dagascar (UDSM) notarihin’i Zafimahova Norbert, ny Avotry ny tantsaha Mala­gasy (ATM) an’Andriamirado Abdon… Izy ireo no nitarika sy niandany tamin’ny fanaovana “Eny” ta­min’ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny 28 septambra 1958.

Nirosoana tamin’ny fangatahana Fahaleovantena

Nandrafitra ny governemanta vonjimaika ny filoha Tsiranana, nametraka ireo Andrimpanjakan’ny Repo­bli­ka ny Antenimierampi­renena. Voafidy ny mpikambana vonjimaikan’ny Anteni­mierando­holona. Novolavo­lain’ny komity fakan-kevitra ny Lalàmpa­no­renan’ny Re­poblika. Nanda­ny ny Lalàm­panorenana ny Antenimie­ram­pirenena, ny 29 avrily 1959. Nivory teny Tsimba­zaza ny kongresy, ny Ante­nimierampirenena sy ny Antenimierandoholona, ny 1 mey 1959, nifidy ny filohan’ny Repoblika voalohany, i Tsira­nana: lany tamin’ny vato 113 tamin’ny 114, vato maty iray.
Nanomboka ny fifampiraharahana hahazoana ny Fahaleovantenan’i Madaga­si­kara ny delegasiona notarihin’ ny filoha Tsiranana tany Paris, Frantsa, ny 10 febroary 1960. Vita rangopohy tany Paris izany, ny 2 avrily, ary natao sonia teny amin’ny Lapan’ Andafiavaratra, ny 26 jona 1960. Nambara ampahibemaso teny amin’ny vatomasina, Mahamasina, ny fiverenan’ny Fahaleovan­tenan’i Mada­gasi­kara.
Mety sy zakan’ny Mala­gasy ve ny Repoblika na ny sata repoblikanina?.

Nanatontosa : R. Nd.

 

Partager sur: