Olana goavana : mahatratra 70 % ny tanora tsy an’asa eto Madagasikara

Olana goavana eto Madaga­si­ka­ra ny tsy fananana asa. Mihatra amin’ny tanora sy miteraka fa­han­­trana ankapobeny eto amin’ ny firenena, izay nisy 72,5 % tamin’ny 2012 ary 10 taona aty aoriana, ny 2022 , ni­tombo ny fahantrana, nahatratra 81 %.

Araka ny fanadihadiana natao, mitombo hatrany ny tsy fananana asa eto Madagasikara, indrindra ny tanora, 15 hatramin’ny 30 taona, izay misy 70 % ny tsy an’asa. Tsy ampy koa ny vokatra vokarin’ireo maro an’isa, ary tsy mandray olona firy tokony hiasa, ka vao mainka mampitombo ny tahan’ny tsy an’asa. Antony mampitombo izany ny halafon’ny masonkarena amin’ny asa. Toy ny herinaratra, ny solika, ny kojakoja samihafa mampihodina ny orinasa. Eo koa ny rafitra ankapobeny, toy ny saran’ny asa atao, olana eo amin’ny tsenan’asa tsy ahitana firy mandray vokatra. Eo koa ny fivoaran’ny teknolojia izay miteraka tsy fananan’asa maro.

Amin’izao fotoana izao, mitombo hatrany ny elanelana eo amin’ny firenena manan-katao sy ny mahantra amin’ny sehatra ara-toekarena sy sosialy. 2/3 amin’ny vokatra maneran-tany lasa any amin’ny firenena manan-katao da­hol­o. Haingana ny fitomboan’ ny harinkarena any amin’ireo firenena ireo, ary ny fanjakana afaka miahy ny tsy an’asa amin’ny fiainan’izy ireo.

Be mpanao ny karazam-barotra
Hatramin’ny 1995, noje­ren’ny Instat ny fari-piainan’ny tokantrano malagasy, tamin’ny alalan’ny tetikasa Madio. Nozahana manokana tamin’ izany ny asa atao isam-batan’ olona isan-tokantrano, nifantoka indrindra tamin’ny fijerena ireo tanàn-dehibe, renivohi-paritany . Nohadihadiana ma­no­kana ny fari-piainana isan-tokantrano sy ny tsenan’asa eto Madagasikara. Fantatra, nandritra izany, fa be mpanao fidiram-bola ny karazam-barotra. Betsaka amin’izany no tsy manara-dàlana. Tamin’ny fiandohan’ny taona 2000 ka hatramin’izao, mitombo isa ny olona mitady asa an-tanàn-dehibe. Manodidina ny 61,3% izany. Toliara sy Fia­narantsoa no be tanora indrindra mitady asa fivelomana, 23 taona ny salanisa. 24 % no mpifindra monina amin’ny renivohi-paritany enina, miampy an’An­tsi­rabe, araka ny fanadihadiana natao.

Ny ankamaroan’ireo ta­nàn-dehibe eto Mada­ga­si­kara, betsaka ny asa fihariana, indrindra eto Antananarivo Renivohitra avy amin’ny raharaham-barotra. Maro asam-barotra ny eto Antananarivo, ataon’ny vehivavy hatramin’ny 50 taona io sehatra io amin’ny ankapobeny.

Miteraka tsy fananana asa ny teknolojia vaovao

Anisan’ny antony lehibe iray mampirongatra ny tsy fananana asa ny teknolojia vaovao ankehitriny. Hita izany, indrindra any amin’ny firenena eoropeanina tandrefana. Nisongadina ny fivoarana ara-toekarena, noho izany, nanomboka taorian’ny ady lehibe faharoa.
Anisan’ny paikady lehibe iray nampiasain’ny orinasa maro tany Eoropa ny fivoarana ara-teknika, ary izay efa tsy ampiasaina no alefa aty Afrika, anisan’izany i Madagasikara. Hita izany, ohatra, eo amin’ny fanjifana solika : mpiasa, solika jifaina. Tombontsoa ho an’ny orinasa tsy miankina maro izany, fa mampitombo ny isan’ny tsy an’asa.
Misy fiantraikany amin’ny tanora tokony hiasa sy ny vokatra azo ny fivoarana ara-teknolojia ankehitriny. Noho izay antony izay, tsy vitsy ireo olona voatery miala amin’ny toerana misy azy, miala amin’ny asany na tanora tsy mahazo asa.
Amin’ny tany tsy ahitana fitomboan’ny harin-karena firy, toa an’i Madagasikara, latsaky ny 900 dolara isan-taona ny vola miditra amin’ny olona iray, araka ny fahitan’ny Banky iraisam-pirenena azy. Ambany ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ary ny fari-piainan’ny mponina. Eto Madagasikara, tsy mitsaha-mitombo ny tahan’ny tsy an’asa. Tsy maharaka ny fitomboan’ny mponina afaka miasa ny tolotra misy. Anisan’izany ny ankizy 5 taona efa hita eny amin’ny tsenan’asa, ary sarotra ho an’ny tanora ny mahita asa mifanentana amin’ny fari-pahaizana ananany. Antoka iray mampandroso ny toekarena ny sehatry ny asa. Ny tsy fisian’asa no olana lehibe iray tsy ahafahan’ny firenena mivoatra.

Nanatontosa : R . Mathieu

Partager sur: