Lanja aman-kasin’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Miaina izany ny Malagasy. Zavakanto, ohatra, ny hira. Nomeny hasina fatratra ka notsinjarainy sy nosokajiany araka ny nampiasany azy. Ao ny antsa, kalo, rary, sns. Tsy nisy sahy nanimba azy ireny. Efa fanomezan-kasina goavana be izany. Varotra fampirantiana hosodoko, zara raha mahalafo tabilao iray ao anatin’ny 15 andro. Satria, tsy mbola hain’ny Malagasy ny lanja aman-kasin’ny hosodoko. Tsy mby ao an-tsainy fa fanahy no niteraka iny hosodoko iny. Matetika ny zavakanto voasokajy ho asa tanana no iharan’izany.
Mbola mila fitaizana ny Malagasy. Nanomoboka tamin’ny fotoana nampisongadina ny « mamirapiratra » (endrika ivelany) teo amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina no nanariany ilay maha sarobidy ny « aingam-panahy » voarakitra ao amin’ny famoronana. Ny fananana sekoly fampianarana haikanto no anisan’ny vahaolana tsara. Na, hampidirina ho anisan’ny taranja ianarana any an-tsekoly ny zavakanto sy ny kolontsaina. Ilain’ny vanim-potoana ankehitriny ihany koa ny fahaiza-misafidy ny kanto manaja soatoavina sy ireo « kanto » manome lanja ny endrika ivelany.
HaRy Razafindrakoto