Mbola mitoetra ny vesatry ny kolontsaina malagasy manome vahana ny lehilahy ka tsy ahafahan’ny ankizivavy mivoatra sy misitraka ny zony hivelarany amin’ny fiainany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara, i Estelle Andrianasy.
Niantso ny sehatra tsy miankina sy ny firaisamonim-pirenena ary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny hanao asa mandritra ny 100 andro, nanomboka omaly ka hatramin’ny 8 marsa 2023 Andro maneran-tany ho fanajana ny zon’ny vehivavy ny Banky iraisam-pirenena sy ny filohan’ny fikambanana Fitia, Rajoelina Mialy.
Izany dia ny mba ahafahan’ny ankizivavy mandeha any an-dakilasy ahazoany asa mendrika mahavelona any aoriana. Mila iadiana sy sorohina koa ny herisetra atao amin’ ny ankizivavy sy ny vehivavy hampahomby ireo sehatra roa voalohany. Manana safidy amin’ny sehatra atao: fanabeazana, fanomezana asa mendrika ary ady amin’ ny herisetra mifototra amin’ ny maha lahy na maha vavy ny rehetra hitondrana asa mivaingana ahazoana vokatra misongadina ao anatin’ ny 100 andro. 28%-n’ny vehivavy malagasy tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary mikajy amin’izao taona faha XXI izao. 10% ihany ny andriambavilanitra miasa sy misitraka karama sahaza, 40%-n’ny vehivavy 20 ka hatramin’ny 24 taona no voatery nanambady mialohan’ny faha-18 taonany ary 28%-n’ny vehivavy efa niharan’ny herisetra ara-nofo na ara-pananahana avokoa eto amintsika, araka ny fanambaran’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena, i Marie-Chantal Uwanyiligira, omaly, teny Ivandry. Raha tiana hiova ny tarehimarika, mila manao asa ny rehetra ka natomboka omaly ny hetsika natrehin’ny tompona orinasa, firaisamonim-pirenena, vehivavy
minisitra sy solombavambahoaka.
Hanohy ny ezaka Rajoelina Mialy
Nanamafy ny fahavononany hanohana ny fampiofana arakasa ny tovovavy sy vehivavy marefo ny filohan’ny fikambanana Fitia, ary hanitatra ny asa mitarika loharanom-bola ho an’ny fikambanam-behivavy manerana ny Nosy. Amin’ny maha tompondakan’ny ady amin’ny herisetra ny tenany , hitohy ny fandraisana an-tanana ny olona niharan’ny herisetra sy ny hetsika fiarovana miaraka amin’ny toeram-pandraisana eny Mahamasina. Efa nosantarina tao anatin’ny telo taona izany. Isaky ny 25 novambra no hanombohana hetsika mandritra ny 16 andro hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy.
“Ankizivavy mianatra, vehivavy miavotra” ny lohahevitra itondrana ny fanentanana ho an’ny 100 andro
iasana.
Vonjy A.
Nanao fanekena ny GEM…
Nanao fanekena am-bava ny mpikambana ao amin’ny vondron’ny mpandraharaha malagasy GEM, Rakotomamonjy Noro fa hanentana ireo mpikambana rehetra ao aminy momba ny sehatra telo azo itondrana fanohanana avy amin’ ireo mpandraharaha. Hitodika kokoa amin’ireo sehatra telo ireo manomboka izao ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy ataon’ny orinasa mpikambana rehetra. Hanofana ireo mpiasa vehivavy ao anatin’ny orinasa mpikambana ny GEM momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana isorohana ny vohoka aloha loatra sy ny fampanambadiana ny ankizy.
Nanambara koa ny tomponandraikitry ny orinasa mpaninjara solika Total fa vonona hanohana ny tovovavy marefo amin’ny sehatry ny asa sy ny fanofanana. Nanao tohy vakana ireo mpandraharaha sy ny firaisamonim-pirenena nanambara ny asa hotontosainy mandritra ny 100 andro.