Vaovao tsara ho an’ny taranja basikety, lalaovin’olona telo. Mitàna ny laharana telo voalohany amin’ny “Playoff 3×3” eto Afrika, ny Malagasy. Laharana voalohany, Randriamampionona Elly, laharana faharoa, Ratianarivo Livio ary fahatelo kosa i Solondrainy Jean Arnol. Vaovao azo lazaina ho efa tsy mahagaga intsony, raha ny ezaka sy ny vokatra tsara azon’ireto Malagasy mpilalao ireto, tao anatin’ny taona vitsy izay. Azo lazaina ho misongadina sy mametraka ny toerana eto Afrika, eo amin’ny taranja basikety 3×3 ihany koa i Madagasikara.
Tsiahivina, anisan’ny tena nampiakatra avo ny lentan’ny Malagasy mpilalao ka nahazoan’izy ireo izao 3 voalohany eto Afrika izao, ireo fifaninanana iraisam-pirenena natrehana nanomboka ny taona 2022. Nanomboka tamin’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboara eran-tany, ny “World Cup 2022” izay sambany ny nandraisan’i Madagasikara anjara. Teo ihany koa ny nahazoana medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy farany teo ary ireo fifaninanana nifanesy, toy ny “Wuxi 3×3” sy ny “Fiba World Tour” vao natrehan’izy ireo ny herinandro lasa teo, tany Shanghai, ka nahazoana ny laharana fahatelo.
Anisan’ny nahazoan’izy telo lahy isa ambony ihany koa ny medaly volamena tamin’ny lalao afrikanina natao tany Maraoka, ny taona 2019, izay fandraisana anjara voalohan’ny basikety 3×3 ihany koa. Mendrika fankasitrahana izao ezaka sy fitondrana avo ny voninahi-pirenena malagasy manerana an’i Afrika izao.
Mi.Raz