Paikafo, asa tanana natombok’ Andriamantena Georges na i Rado, mpanoratra sady poeta, tamin’izany andro izany. Nolovain’ ny zanany Andriamanantena Andry Solofo tao anatin’ny 40 taona izay.
“Ataovy amin’izay fa efa miha antitra aho, hoy ny raiko. Nafindrany tamiko ilay asa satria hitany fa nahay sary aho ary tsy nety nanao sary intsony izy”, hoy Andriamanantena Andry, mpanohy ny asa tanana paikafo, raha nitantara. Ataon’ny olona haingon-trano sy fanomezana ny asa tanana “Paikafo”, amin’ny ankapobeny. “Mampifantoka ny mason’ny ankizy, mipetraka any am-parahatokany ary mitaiza ny mpiara-belona rehetra, ny fahitana azy ireny mihantona sy mipetraka ao an-tokantrano”, hoy hatrany izy. Nambarany fa fomba iray hitaizana ny ankohonana na ny zanaka na ny havana izy ireny satria hiantefan’io teny misoratra eo aminy.
Mampiasa ny tononkalon’i Rado sy ao amin’ny Baiboly
Haingoana amin’ny soratra na sary ny paikafo. «Tsy mampiasa afa-tsy ny tononkalo sy ny asa tanan’i Rado ary ny tenin’ny soratra masina ao anaty baiboly izahay”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa voararan’ny lalàna raha toa ka mampiasa soratr’olona ka tsy nahazahoana alalana avy amin’ny tompony. Mety misy manenjika avy eo ary hialana amin’ny fandrirarirana mankany amin’ny fitsarana ny antony tsy hanaovan’izy ireo izany.
Ankoatra izay, mampiasa ireo karazan-kazo tapaka rehetra noho ny fandalovan’ny rivodoza eto amin’ny Nosy izy ireo. Hamainina mandritra ny roa taona izany vao azo ampiasaina. Rehefa maina tanteraka vao dorana amin’ny alalan’ny penina “fer à souder”. Rehefa izay, didiana sy tetehina amin’ny milina, mba hanana endrika boribory. Tsy maintsy apalesina sy halamaina tsara ny hazo, vao hanaovana sary nasoratra. Rehefa azo antoka fa tsy hiova intsony rehefa tonga any an-tokantranon’ny olona tsirairay avy. Mampiasa milina avokoa na ny fanapahana na ny fanadiovana ny hazo. Maharitra eo amin’ny 3 na 4 andro eo ny fanaovana ny soratra raha atao amin’ny milina. Manodidina ny herinandro na tapa-bolana eo raha atao tanana.Maharitra amam-bolana kosa raha sary. Misy ny paikafo hatao amin’ny solosaina ary misy ny atao tanana. Misy ihany koa ny natao tamin’ny solosaina fa hatsaraina amin’ ny tanana. Tanjona ny hampateza sy hahamafy ny vokatra ary tsy haharatsy ny sarin’i Madagasikara any ivelany. Mbola mitohy hatramin’izao ny asa ary tanjon’izy ireo ny tsy hahalefilaza ny asa tanan’ i Rado, raha ny fanazavana.
Asa ilaina faharetana sy fifantohana
Tsy maintsy tiana voalohany indrindra eo amin’ny lafiny rehetra ny zavatra atao. Ankoatra izay, tsy maintsy tia manao sary ihany koa, tia manoratra, mahay manao sora-kalina, ary ilaina tanteraka ny faharetana, izay takina amin’ ny mpanao asa tanana malagasy. Raha ho an’ny asa ataon’izy ireo, tsy mahazo diso ary tsy maintsy mifantoka amin’ny voalohany hatramin’ ny farany satria lasa fafana indray ny zavatra efa vita. Halavirina tanteraka ny zavatra mety hanelingelina rehetra, toy ny firesahana aman’olona.
Mifanoro sy mifanome hevitra ny rehetra
Anisan’ny manimba ny vokatra vita malagasy ny fanaovana zavatra tefy maika eto Madagasikara. “Efa miha mivoatra kosa ny asa tanana malagasy amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy nandritra ny hetsika Voatra, andiany fahafolo natao tetsy Mahamasina, ny herinandro lasa teo”, hoy hatrany Andriamanantena Andry Solofo. Nilaza izy fa niezaka nifanoro sy nifanome hevitra ny mpiara-belona mba hanatsarana ny asa tanana vita malagasy. Tanjona ny hahatonga an’i Madagasikara ho tsara laza eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. “Aza manantena fivoarana mihitsy raha mbola tsy miezaka manao ny asa tanana ho tsaratsara kokoa”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa ho fantatry ny olona eny foana ny fiezahana na dia mbola tsy mahita tsirony aza ankehitriny. “Mifanohana tsy ho lavo”, io ny tarigetra iainan’izy ireo eo am-panatanterahana ny asa hatramin’izay ka hatramin’izao.
Mahaliana ny maro
Be mpanjifa ny vokatra amin’ny ankapobeny. Ankoatra ny eto Madagasikara, mandefa any am-pitan-dranomasina, toy ny any Canada, NewYork, France, Allemagne…izy ireo. Samy manana ny tiany ny mpanjifa amin’ny ankapobeny. Mahasarika ny olona ny vidin’entana mora kokoa hatrany, indrindra ny hazo manan-kilema, izay misy tsininy. “Iny no takatry ny olona amin’ny ankapobeny, satria mora kokoa ny vidiny, raha ny fanadihadiana natao. Efa voatsapa fa mateza aman-taona maro ny vokatra. Arakaraka ny hangezan’ny hazo sy ny kalitao ny hamaritana ny vidin’entana iray.
Nanatontosa : Mino