Mpandraharaha fantatra amin’ny anarana “Botoubebe Rosin” ny namoy ny ainy noho ny fiakaran’ny tosidra tampoka nateraky ny fifamaliana teo aminy sy mpanangom-bokatra, ny alakamisy 24 novambra teo. Taorian’ny fisokafan’ny taom-piotazana letisia, nandray ireo solontenam-panjakana tao amin’ny orinasany izy. Nanome vola ny mpanangom-bokatra, araka izany, ity mpandraharaha ity. Rehefa tonga ny entana, tsy araka ny nandrasana ny kalitao. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Vokany, niakatra ny tosidran’io mpandraharaha, izay efa mananika ny faha-71 taonany io. Nentina fiaramanidina hihazo an’ Antananarivo hotsaboina izy. Kinanjo, votsotra teny an-dalana ny ainy. Marihina fa ankoatra ny fiseharana amin’ny fandraharana letisia, fantatra tamin’ny sehatry ny fitaterana solika sy ny fanondranana vokatra hafa any ivelany koa ity mpandraharaha maty ity. Efa filohan’ny Antenimieran’ny varotra tao Toamasina koa ny tenany.
Sajo/ Tsiferana R.