Anisany paikady apetraka ho fampandrosoana ny any Isandra ny fidinana ifotony ataon’ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanan’ny zanak’ Isandra miray hina (Kim). Anisan’ny nanaovan’izy ireo izany ireo fokontany maro sy kaominina ato anatin’ny distrika. “Natao izany mba hijerena ireo olana hiombonan’ ireo vahoaka. Eo koa ny fanentana ireo vahoaka hiditra ao antin’ny lisi-pifidianana sy hisoratra eny anivon’ny fokontany amin’ny fangatahana ny hanaovana ny kaopia sy karapanondro faobe amin’ izao fanavaozana ny lisi-pifdinana izao”, hoy ny mpitarika ny Kim.
Distrika gisitra amin’ny fampandrosoana
Anisan’ny distrika mitana ny farany amin’ny fampandrosoana ny any Isandra. Tsy misy ny jiro, ny rano fisotro madio. Vitsy ireo lakilasy ianaran’ireo mpianatra taorian’ ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Manampy izany ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fambolena noho ny haintany. “Zara raha mamokatra ireo mponina. Maro ireo ankizy tsy miditra any an-tsekoly noho ny tsy fahampiana eo an-tanan’ireo ray aman-dreny”, hoy ihany ny Kim. Anton’ny hetsika nataon’ireto zanak’Isandra ireto izany hanairana ireo mpitondra amin’izao olana sy fahasahiranan’ny mponina any an-toerana izao izany. “Manao antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika izahay mba hitodihan’ny fampandrosoana sy hidina ifotony hijery ny zava-misy, iainan’ny mponina. Mba tsy hisy distrika hadino”, hoy ihany izy ireo.
Synèse R.