Justice et Paix : mitaky ny fampiharana lalàna

“Iangaviana ny mpanao politika mba samy haneho ny tena fitiavan-tanindrazana, fa tsy hitady tombontsoa manokana na harena na seza na voninahitra”, hoy ny fehinkevitry ny fivorian’ny vaomi­eran’ny eveka, Justice et Paix eo anivon’ny Ekar, teny An­ta­ni­mena, ny herinandro teo. Fanasoavam-bahoaka tsy an­ka­navaka anatin’ny fanarahan-dalàna sy fampiharana ny fahamarinana ny politika tena izy. Ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanasoavam-bahoaka dia tsy mba ao anatin’ny korontana na fihantsiana fa aseho amin’ny fampanjakana ny fihavanana, ny fiadanana sy ny fitoniana ary ny fandriampahalemana.
“Aoka ireo manampahefana handray fepetra hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fampiharana ny lalàna amim-pahamarinana sy ara-drariny eo anivon’ny fitsarana, eny anivon’ny sampandraharaha misahana ny fiainam-bahoaka”, hoy ny fe­hin­kevitra. Eo ny fahasalamana, ny fananan-tany, ny harena an-kibon’ny tany, ny fanabeazana… Aoka hanao tatitra ma­za­va amin’ny vahoaka ny to­mponandraikitra rehetra. Mila mazava ny fitantanana ny firenena, ary tsy misy ambonin’ny lalàna na iza na iza.

Zava-dehibe ny aina
“Entanina ny vahoaka ho sarotiny amin’ny fiarovana ny marina, ny rariny sy ny hitsiny ary ny firaisankina. Nefa hanalavitra kosa ny herisetra sy ny valifaty”, hoy ihany ny fehinkevitra. Ho sahy handray andraikitra ao anatin’ny firaisainkina. Ampirisihina ny rehetra hiezaka hanaraka ny fepetra manaja ny soa iombonana sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena.
Mankahery ny mpitondra sy ny vahoaka ary ny tsara si­tra­po rehetra amin’ny ezaka atao ijoroana amin’ny fahamarinana ny vaomieran’ny eveka Justice et Paix ary mitondra amim-bavaka ny firenena mba hanjaka ny rariny sy ny fandriampahalemana ary ny fanajana ny zon’olombelona.

R. Nd.

Partager sur: