Toekarena aty Afrika: mpiara-miombon’antoka voalohany i Sina

Firenen-dehibe manana ny toerany aty Afrika i Sina. Anisan’ny tena mampisongadina azy ny fananganana fotodrafitrasa goavana, amin’ny fanorenana sy ny asa vaventy (BTP).

Araka ny tatitra nataon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny 10 oktobra 2023 teo, miroborobo ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Sa­hara sy i Sina, tato anatin’ny 20 taona farany. Lasa firenena voalohany, mpiara-miombon’antoka ara-barotra amin’izy ireo i Sina, noho ny Fampiasam-bola mivantana ara-toekarena (IDE) ataony.
Na izany aza, milaza ny FMI fa mety hiova izany, satria nahenan’i Sina ny fihariana ataony aty Afrika, vokatry ny fihemoran’ny fitomboan-kareny ankapobeny. Hiantraika amin’ny fandrosoan’i Afrika izany sy ny fifandraisana ara-barotrany amin’i Sina. Ho an’ny FMI, tokony hiomana amin’ny fiatrehana ity tranga ity ireo firenena afrikanina. Mila ataony maro karazana ny seha-pihariany ara-toekarena sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Anisan’izany ny fifanakalozana ara-barotra amin’ny firenena manodidina, amin’ny alalan’ny tsenam-paritra. Eo koa ny fampiroboroboana ny seha-pihariana anatiny.

Mitentina 270 miliara Ar
Amin’ny ankapobeny, nitombo 8,6% ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena nataon’i Sina sy ny firenena maneran-tany mpiara-miombon’antoka aminy, tato anatin’ny 10 taona farany (2013-2022). Mitentina 270 miliara dolara ny fampiasam-bola nataony, ary 1 200 miliara dolara ho an’ny fanorenana sy ny asa vaventy (BTP). Maro ny fotodrafitrasa lehibe naorina, toy ny lalana, ny tetezana, ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina, ny fifandraisan-davitra sy ny niomerika, sns. Tanteraka ireo, amin’ny alalan’ilay Finiavana « ny Fehikibo sy ny Lalana », iarahan’i Sina sy ny firenena maro maneran-tany.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: