Manomboka mifantsika ao an-tsain’ny Malagasy maro ny fiheveran-tena fa ambany raha ampitahaina amin’ny vahiny. Nariana ny maha izy ny tenany fa nolohalohavina ny an’ny hafa. Atao tsinontsinona sy nanjary nahamenatra ny miaina sy manaja ny fomban-drazana sy izay rehetra mifamatotra amin’ireny (fady, tody, fitafy, fifanajana, fihavanana, teny…) fa ratsy, hono. Tsy mendrika sy tsy sahaza ny olona ambony sy mandroso, hono… Izany hoe, mihevi-tena ho efa lasa ambony ny Malagasy sasany, satria, efa manaraka ny fombam-bazaha. Firenena lasa ambony ve ka nahoana no mbola ao anatin’ny tany farahidiny ? Lasa ambony ve ka maninona no feno olo-mahantra eny amin’ny fiarahamonina ? Ny lasa ambony izany tsy miantehitra sy mitavandra fanampiana avy any ivelany isaky ny miposaka io masoandro io ! Ny olona na vahoaka na firenena lasa ambony izany, afaka manampy ny hafa. Iza amin’ireo firenena eto ambany masoandro anefa no efa mba nampian’i Madagasikara, satria, efa lasa ambony, hono, ny Malagasy mponina ao aminy ? Raha ireo no tranga ireo no dinihina, akohokely nopaohim-papango ny Malagasy, lasa ambony vao tra-pahoriana ! Raha mbola raiki-tampisaka ao amin’ny fiarahamonina malagasy ny fiheveran-tena fa ambany manoloana ny vahiny, tsy hisy fandrosoana azo antenaina eto Madagasikara. Raha mbola manilika sy manaratsy ny momba azy manontolo ny Malagasy, tsy maintsy handady manoloana ireo vahiny hatrany ny taranaka malagasy. Mila mandray andraikitra haingana ny raiamandreny. Ovainy ifotony ny fomba sy ny rafitra rehetra « mitaiza vahoaka ». Goavana indrindra amin’izany ny ankohonana sy ny any an-tsekoly ary ny eny anivon’ny fiarahamonina. Ireo rahateo no itoeran’izay heverina fa raiamandreny loharanon’ny fahendrena !
HaRy Razafindrakoto