Nahatratra 329 188 t ny vary nafarantsika nandritra ny valo volana voalohan’ity taona ity. Nihena izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 514 050t tamin’ny taon-dasa nandritra ireo vanim-potoana ireo. Izany hoe fihenana manodidina ny 184 862t, araka ny tatitra navoakan’ny observatoire du riz (ODR). Tsara ny voka-bary teto an-toerana ny taona 2022-2023 ka nampakatra ny taham-pamokarana. Na izany aza, niakatra ny fanafaram-bary ny volana jolay sy ny aogositra, taona 2022. Manodidina ny 70 505t ny vokatra nafarana ny volana jolay 2022 raha toa ka 70 828t ny volana aogositra. Ny taona 2023, nihena ho 18 433t ny vary nafaran’i Madagasikara ny volana jolay teo. Manodidina ny 41 141t kosa izany telo volana lasa izay.
Tsena
Nahitam-piakarana ny vidim-bary teny an-tsena nanomboka ny volana aogositra teo. Voakasika amin’izany ny vary gasy, ny “stock” ary ny “riz de luxe. Niakatra ho 1 404Ar ny kilaon’ny vary akotry ny volana aogositra teo. Taham-piakarana 6% raha oharina ny volana jolay teo izany, 1 325Ar ny kilao. Nandritra izany, nahitam-piakarana 4,8% ny vidin’ny vary eto a-toerana. Manodidina ny 2 361Ar izany ny volana jolay teo, raha niakatra 2 747Ar kosa ny kilao taorian’izay. Ankoatra izay, niakatra manodidina ny 6% ihany koa ny vidim-bary teo anelanelan’ireo volana voalaza ireo. Manoloana izany, nitady vahaolana ny fitondram-panjakana hisorohana ny fiarakaran’ny vidim-bary mandritra ny fotoan’ny maitsoahitra. Nisy ny fifampiresahana tamin’ny firenena Indianina ka niverina ny famatsiana ny firenena malagasy. Tsy misy atahorana ihany koa ny tahirim-bary eto amintsika.
Henintsoa H.