Lava ny dingana! Fa vaovao mahafinaritra hatrany kosa, satria miroso mankany amin’ny fankatoavana ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy.
Vaovao lehibe ho an’ny kolontsaina malagasy. Manolo-kevitra ny hankatoavan’ny komity iraisan’ny Governemantan’ireo firenena mikambana amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana sy fiarovana ireo Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny fampidirana ny hiragasy ao anatin’ny lisitry ny Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona, ny komity mpanao sivana eo anivon’ny Unesco.
Hivory any Kasane, Botswana ity komity fara-tampony mpandray fanapahan-kevitra ity ny 4 hatramin’ny 9 desambra ho avy izao. Mandritra io ny iandrasana ny fanambarana ofisialy maha harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy, rehefa nandalo dingana maromaro, araka ny fangatahan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.
Raha tsiahivina, efa tamin’ny volana avrily 2022 no nametrahana ny fangatahana teo anivon’ny komity iraisam-pirenena ao amin’ny Unesco. Tafiditra nialoha izany ny hiragasy, ny kabary, izay azo lazaina fa efa reharehan’ny kolontsaina malagasy. Malalaka ny lalana ho an’ny hiragasy, satria ampahany ao anatin’ity endri-javakanto ity ihany koa ny kabary. Tombanana fa hivaly amin’io fivoriana an-tampony io ny fahazoan’ny hiragasy ny fankatoavana ho harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona. “Hampamirapiratra ny kolontsaina malagasy amin’ny ankapobeny, indrindra ny hiragasy io”, hoy ny fampanantenana tamin’ny fitokanana ny Kianja Hiragasy eo Ampefiloha, volana vitsivitsy lasa izay.
Raha ara-tantara, tamin’ny andron’Andrianampoinimerina no nipoiran’ny mpilalao sy mpiangaly hiragasy voalohany, taty afovoantany. Nanaraka ny tsena izay napetrak’ity mpanjaka ity izany. Fitaovan-tserasera matanjaka indrindra ny hiragasy sy ny mpihiragasy, ankoatra ny maha mampiala voly azy ireo.
Zo ny Aina