Kitoatoa

Nanao ranolava ny fitokanana fotodrafitrasa nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry, tato ho ato. Nisy koa ny fametrahana vato fototra isan-karazany, amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ho avy tsy ho ela, ohatra, ny fiatombo­han’ny lalana migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Iza no tsy ho faly amin’izany? Mihazakazaka izay tsy izy ilay fana­tan­terahana ny velirano. Mahavelombolo izany, raha toa manao fampitahana tamin’ny fitondrana rehetra nifanesy, indrindra ny fametrahana harena maharitra holovain’ny taranaka mifan­dimby.
Indrokely, tsy mbola tapitra akory ny fotoam-piasana, simba sahady ny sasany amin’ilay manara-penitra. Vao afakomaly no nirodana ny tranoben’ny kolontsaina tany Menabe. Vao tsy nierina akory ny volana nanesoran’ny Filoham-pirenena ny orinasa nanamboatra ny lalana tany Nosy Be Hell Ville. Nisy tamin’ny taon-dasa ny sintona lakolosy sy lahatsoratra an-gazety nataon’ny firaisamonim-pirenena amin’ny tranon-tsekoly zara fa vita, nahina hitera-doza. Tsy maintsy vakiana bantsilana anefa izany amin’izao fotoana izao satria hiditra dingana iray goavana ny mpitondra amin’ny taona ho avy: ny fanadinana sy fandrefesana ny zava-bitany amin’ny alalan’ny fifidianana. Ny fananganana fotodrafitra sy fampitaovana, sehatra roa no azo lazaina fa hany herin’ity fitondrana ity.
Inona no tiana horesahina? Sanatria ny vava izay mitsikera befahatany, fa hitam-poko, hitam-pirenena ny lesoka na momba ny teknika io, na mikasika ny fampandehan-draharaham-panja­kana. Atsipy ny teny, amin’ireto mpizara ny tsenambaro-panja­kana sy ny mpamaly tolobidy ireto. Tsy adala anie ny vahoaka malagasy io! Marina fa jamban’ny fahantrana sy ny tsy fananana mikiky andro aman’alina izy. Mahay maharary kosa rehefa feno ny kapoaka. Anisan’ny olona mahari-pery izy ireo, noho izy notezaina ho be fandeferana. Anisan’ny olona manan-kambo anefa rehefa voakitika any amin’ny maharary azy ihany koa. Tsy tokony ho tsinontsinoavina izay lafiny iray izay.
Hararaotina etoana koa ny manipy teny amin’ny Filoham-pirenena amin’ny fivangongoan’ andraikitra ao aminy. Betsaka ny asa vita tokony hotokanana any amin’ny faritra sasany, raha tsy hilaza afa-tsy Amoron’i mania isika. Olana hiandrasana azy avokoa ny fanaovana izany. Misy efa vita tanatin’ny herintaona. Zary simba alohan’ny fampiasana azy. Sanatrian-dresaka vola nariana amin’ny varavarakely, hoy ny fitenin’ny olona manta vava izay.
Tokony hanova fomba fiasa, araka izany, ny rehetra ao an-dapa sy izay nomem-pahefana. Antsy roa lela io fomba fiasa hafahafa io. Fatra-pibodo fahefana kanefa mety hazeran’ilay fahefana koa rehefa manao kitoatoa. Mila mijery lavitra e!

r.r

Partager sur: