Notanterahina ny faran’ny herinandro teo tany Panama ny fivorian’ny komity mpanatanteraky ny IDC-CDI ho an’ny taona 2022. Nitarika izany ny filoha, i Andrés Pastrana. Nivoitra tamin’izany ny jery todika momba ny toe-draharaha politika sy toekarena maneran-tany. Voaresak’ireo nifandimby nandaha-teny ny fepetra tokony horaisina. “Tokony hamafisina ny demokrasia, indrindra ho an’ny any Afrika sy ny aty Amerika Atsimo”, hoy izy ireo.
Teo koa ny atrikasa natokana ho an’ireo tanora eo anivon’ny IDC-CDI. Lohahevitra amin’izany : “Ny fampandraisana anjara ny tanora amin’ny fitantanana ny fifindra-monina”.
Tsiahivina fa nandray anjara tamin’izany ireo antoko politika maneran-tany eo anivon’ny IDC-CDI. Anisan’ izany ny antoko Malagasy miara-miainga, mpikambana feno ao anatin’izany. Nisolo tena ny MMM ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo sy ny loholona, Rakotondrainibe Michel.
Synèse R.