Tsy mitsaha-miakatra ny tahan’ny antontanisan’ny olona diabetika satria mahatratra 500 tapitrisa izy ireo manerana an’izao tontolo izao. Ny fahazotoan’ny olona manao ny fitiliana no antony mahatonga ny fiakaran’ny antontanisa, raha ny fanazavan’ny mpitsabo.
Ho an’i Madagasikara manokana, 4 % amin’ny vahoaka malagasy no voan’ny aretina, raha ny tatitra navoakan’ny Organisation mondiale de la santé (OMS) tamin’ity taona 2023 ity. Toe-tena entina mandra-pahafaty vokatry ny tsy fahaizan’ny vatana mampiasa ny siramamy entin’ny sakafo ny atao hoe diabeta. “Mety ho nolovana tamin’ny tetiaran-dray aman-dreny nolovana na vokatry ny dona ambony izany”, hoy ny Dr Ramamonjisoa Haja, directeur des operations eo anivon’ny Amadia. Mety ho diabetika avokoa ny sokajin’olona rehetra, amin’ny maha toe-tena azy ary tsy manavaka sokajin’olona sy taona ihany koa izy io. Enim-bolana hatramin’ny 90 taona ny eo anivon’ny Amadia, raha ny tatitra voaray teo anivon’ity ivontoerana ity. Amin’ny maha toe-tena ny diabeta, tsy sitranina fa alamina. Nilaza izy fa diabetika manditra ny androm-piainany ny olona iray rehefa tratry ny aretina. Miaina toy ny olon-drehetra ihany izy ireny rehefa milamina ny diabeta ao aminy.
Azo sorohina ny sokajy faharoa
Ahitana sokajy roa ny diabeta. Sokajy voalohany ny mahazo ny tanora sy ny ankizy. Ny fampiasana ny “insuline” no fandaminana azy. Fahita matetika eo amin’ny olon-dehibe kosa ny sokajy faharoa. Izay mahasahana ny 90 % amin’ireo diabetika. Ny fampiasam-batana, fandanjalanjana ny sakafo hohanina, fanarahana ny toromariky ny mpitsabo momba ny fanafody hohanina am-bava kosa ny fandaminana. Mba hisorohana ny hisian’ny voka-dratsin’ny aretina eo amin’ny vatan’ny olombelona. Azo sorohana tsara ny sokajy faharoa, fa rehefa tonga eo amin’ny vatana dia raisina sy iainana araka izay kosa ny sokajy voalohany.
Eo amin’ny olon-dehibe, matetika ny sarakaty (pancreas) no tsy miasa tsara intsony. Na misy sakantsakana eo amin’ny fampiasana ny “insuline” any amin’ny taova. Efa tsy mamokatra “insuline” intsony ho an’ny ankizy sy ny tanora. Antony mahatonga ny fampidirana izany avy ety ivelany amin’ny alalan’ny tsindrona, raha ny fanazavana hatrany.
Ankoatra izay, manao “hypoglycémie” ny olona iray rehefa miasa mafy. Lasa tsy ampy ny sakafo nohaniny, tsy ampy ny siramamy sy ny hery ao anatin’ny vatany ka mila ampiana. Ny “hyperglycémie” dia mety vokatry ny sakafo be loatra na tratry ny “infection” ny diabetika iray ka mitarika fiakaran’ny tahan’ny siramamy ao amin’ny vatany.
Azo hanina avokoa ny sakafo rehetra fa ilaina fandanjalajana araka ny toe-tenan’ny diabetika iray. Tsara ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, toy ny sakafo maroloko. Miainga amin’ny legioma manta sy ny foto-tsakafo: vary sy laoka ary ny voankazo izany. Raha miasa mafy, tsara ny misakafo betsaka. Raha mipetraka fotsiny, ahena ny fatran’ny sakafo hohanina.
Mety hitarika fahasimban’ ny maso
“Mety hitarika fahasimbana any anatin’ny maso, any amin’ ny atidoha, any amin’ny fo sy ny lalandra, any amin’ny voa, eo amin’ny retsika ary any amin’ny tongotra rehefa tsy voarindra sy voalamina araka ny tokony ho izy ny diabeta”, hoy hatrany ny Dr Ramamonjisoa Haja, directeur des operations eo anivon’ny Amadia.
Miandry fambara foana vao manatona toeram-pitsaboana ny ankamaroan’ny olona. Toy ny aretina rehetra mety hahazo ny olombelona, misy ireo fambara ahafantarana fa mety ho tratran’ny aretina diabeta ny olona iray. Mangetaheta lava sy mahery misotro rano ary mazoto mihinan-kanina be nefa mahia sy rera-dava ny olona iray amin’ny ankapobeny. Tokony ho mailo sy hanatona toeram-pitsaboana haingana hanaovana fitiliana, rehefa mitranga ireo rehetra ireo. Tsy tokony hiandry fambara ihany anefa vao hanatona toeram-pitsaboana hanao fitiliana. “Aleo misoroka toy izay mitsabo ary entanina ny rehetra hanao fitiliana”, hoy hatrany izy.
Tsy tokony hihoatra ny 2g isaky ny litatra ny tahan’ny siramamy
Misy ny fatran’ny siramamy antonony amin’ny vatan’ny olombelona. Tsy tokony hihoatra ny 1,26 g isaky ny litatra na 7 millimole isaky ny litatra raha ho an’ny olona tsy nisakafo tao anatin’ny adiny valo. Raha olona voky kosa indray na nisakafo alohan’ny adiny roa, tsy tokony hihoatra ny 11 millimole isaky ny litatra na 2g isaky ny litatra izany.
Nankalazaina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny diabeta. Fikambanana 230 maneran-tany amina firenena 170 no manao izany. “Ny diabeta ve mahakasika ny olon-drehetra?”, io ny lohahevitra nentina nanamarihana izany. Marihina fa 350 ireo ankizy sy tanora latsaky ny 21 taona diabetika, noraisin’ny fikambanana Amadia an-tanana ary notsaboina maimaimpoana. Manodidina ny 70 isan’andro ny olona tonga manao fitiliana diabeta eny anivon’ny ity ivontoerana ity.
Mino