“Manao antso izahay fa aty ifotony, be ny tsy fandriampahalemana ary manomboka mirongatra. Nefa rehefa mba miantso izahay, tsy mandray telefaonina ireo tomponandraikitra momba izany, na tsy misy ny solika, na mbola miandry ny tomponandraikitra avy any Antananarivo hanao sonia momba ny basy.”
Io ny fanambaran’ireo olom-boafidy ao amin’ny distrik’i Morondava nentin’ny depiote voafidy tao an-toerana tamin’ny anaran’ny IRD, i Christophe Tsiliva Diddiot, ny faran’ny herinandro teo. Lany amin’izay fiantsoana tomponandraikitra izay ny fotoana, ka manao izay danin’ny kibony ireo mpanao lalan-dririnina.
Midina ifotony
Hoentina aiza ity firenena ity? Manao antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny momba ny fandriampahalemana izy: omeo vaovao marina, ary tena mila vonjy maika. Mifandimby isan’andro isan-kariva ny halatra omby eto amin’ny distrikan’i Morondava amin’izao fotoana izao.
Mila haverina any ambanivohitra ireo mpitandro filaminana. Tsy mahafa-po an-dry zareo, hoe misy fandaminana. Lava loatra anefa ny fandaminana ao amin’ny mpitandro filaminana amin-dry zareo. Ela loatra ny fanapahan-kevitra, ka mijaly ny vahoaka.
Nambarany fa 90% amin’ ny olom-boafidy ao amin’ny distrikan’i Morondava no manao izao antso avo izao. Miray feo amin-dry zareo amin’izany ny ben’ny Tanàna avy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Analaiva, Bamanonga, Befasy, Marofandilia, isehoan’ny trangana tsy fandriampahalemana matetika any an-toerana.
R. Nd.