Antoko Hiaraka isika: nanentana ny mpifidy hisoratra anarana

Nanentana ireo feno taona hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, amin’izao fanavaozana tanteraka tanterahin’ ny Ceni izao ny eo anivon’ny antoko Hiaraka isika. Anisan’ ny nanaovan’izy ireo fanentanana tamin’izany ny tany Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. “Mba tsy ho very zo ireo mpifidy amin’
ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny herintaona”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, ny Jly Rabarisoa Ririva.
Ankoatra izany, nanome fanitso ho an’ny kaominina Ampiandanombalahy izy ireo tamin’izany. Tsy misy kajikajy politika izao hetsika fanohanana izao, araka ny namba­rany hatrany. Naneho ny fahavononany hiara-kiasa amin’ity antoko naorin’ny Jly Camille Vital ity ireo olom-boafidy any an-toerana.
Etsy andaniny, mbola no­hamafisin’ireto delegasiona tonga tany an-toerana ireto
ny fahavononany hanohana hatrany ny filoha Rajoelina Andry, manoloana ny vina sy ny velirano ho an’ny fampandrosoana tanterahiny. “Tsy hivadi-belirano izahay ary manamafy hatrany ny maha eo anivon’ny vovononana politika, manohana sy miara-dia amin’ny filoha”, hoy izy. Niaiky izy ireo fa betsaka ireo zava-bitan’ny fitondrana.

Synèse R.

Partager sur: