Tonotolo iainana: niofana momba ny lalàna ireo mpanao gazety

Nanaraka fiofanana tany Ampefy, mikasika ny lalàna mifehy ny tontolo iainana ny mpikambana ao anatin’ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), ny herinandro lasa teo. Tanjona ny ahalalan’ny mpanao gazety ny lalàna sy ny elanelana eo amin’ny fiarahamonina sy ny lalàna. Nikarakara azy ny Alliance voahary gasy, ao anatin’ny tetikasa USAID Hay tao. Tohin’ny fiofanana mikasika ny fanadihadiana lalina ity natao ity.

Anisan’ny nomena ny fahalalana mikasika ny voambolana sy
ny pitsopitsony mikasika ny fitsarana ankapobeny, ary indrindra ny tontolo iainana. Misy ny firafitra « pyramide de Kelsen », milaza ny am­baratongan’ny lalàna. Am­bony indrindra ny Lalàmpa­norenana, avy eo ny Fifana­rahana iraisam-pirenena, manaraka azy ny lalàna sy ny didy hitsivolana, avy eo ny didim-pitondrana sy ny didy fanapahana ary farany ambany ny fifanarahana.
Nampahafantarina ny maha samy hafa ny fitoriana sy ny fitorohana. Afaka mi­tory eny amin’ny fitsarana ny sokajin’olona rehetra, sady mahazo mangataka onitra. Tsy araka izany kosa ny mpi­toroka, afaka milaza tranga iray, raha mikasika tombon­tsoan’ny daholobe. Tsy afaka mangataka onitra ny mpitoroka fa tsy maintsy ny minisiteran’ny Tontolo iainana irery ihany, raha mikasika ny tontolo iainana. Tsy afaka mamono ny eo ambony ny eo ambany, fa afaka mamono ny eo am­bany kosa ny ao ambony. Marihina fa lanian’ ny antenimiera roa ny lalàna ary avoakan’ny filoham-pirenena ny didy hitsivolana.

Manampahefana
ara-pitsarana (OPJ)

Marihina fa tsy ahitana fanasaziana ao anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena, fa tsy maintsy ampifandrifiana amin’ny lalàna eto an-toerana. Singanina amin’izany ny fifanarahana Cites, mikasika ny biby sy ny zavamaniry tandindomin-doza, fehezin’ny lalàna 2005-018, mitanisa ny famaizana samihafa mifandraika aminy.
Anisan’ny lalàna fototra mamaritra ny fandikan-dalàna amin’ny tontolo iainana ny didy hitsivolana 60-128. Ma­nondro ny fomba sy ny pai­kady heloka. Manondro ny sampan’asa manana fahefana (OPJ) afaka manao ny fanenjehana (ny zandary, ny ben’ny Ala, ny mpitsara, ny CSPI ho an’ny jono, ladoany, ….). Marihina fa afaka mandray ny fitorohana ny sefo fokontany, fa ampitainy any amin’ireo mpanam-pahefana ara-pitsarana (OPJ) izany avy eo.

Cites
Eo koa ny lalàna 2005-018, mikasika ny Cites. Ao anatin’ ity fifanarahana ity ny sokajin’ ireo biby sy zavamaniry arovana eto Madagasi­kara. Misy ny sokajy I sy ny tovana 1, mi­kasika ireo arovana satria ahiana ho lany ta­mingana, toy ny varika sy ny sokatra, ohatra. Ao anatin’ny sokajy I, tovana 2 kosa ny hazo sarobidy, ny soavalindriaka (hypocampe), ny dingadingana, sns. Ao anatin’ny tovana 3, ny karazana biby na zavamaniry mila taratasy manokana ny fivarotana azy, ka firenena samy ao anatin’ny Cites. Ao anatin’ny tovana 4 kosa izay tsy ao anatin’ireo sokajy telo voalaza ireo.

Sazy
Isan’ny heloka ara-tontolo iainana ny tsy fananana tara­tasy fahazoan-dalana ara-dalàna hitrandraka, ny fitaterana, ny fihazonana, ny fivarotana, ny fanondranana any ivelany, biby na zavamaniry arovana. Miankina amin’ny toerana nahatrarana azy koa izany, ary anisan’ny tena mafy indrindra ny avy any anaty faritra arovana. Mano­di­dina ny 2 hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina ny sazy, miampy fandoavana lamandy 100 tapitrisa Ar hatramin’ny 200 tapitrisa Ar. Na koa ny iray amin’ireo sazy ireo. Misy koa ny fanagiazana ny vokatra na ny biby.
Eo koa ny fampidirana am-ponja enim-bolana hatramin’ny 2 taona miampy la­mandy 10 tapitrisa Ar hatramin’ny 50 tapitrisa Ar, sady giazana ny biby na ny vokatra tsy ara-dalàna.
Anisan’ny manana ny lalàna mifehy azy manokana koa ny mikasika ny jono, fehezin’ny lalàna 2015-053, nohavaozina ny 2018-026. Nisy fandoavana lamandy amin’ny sandambola dolara ilay lalàna 2015, fa nesorina ary nosoloina sandambola Ariary. Nesorina koa ny fampidirana am-ponja, satria raisina ho toy ny fandikan-dalàna ara-toekarena ny sehatry ny jono fa tsy heloka.
Tsiahivina fa tohin’ny fampiharana mikasika ny fanaovana fanadihadiana la­lina, efa natao tany Ankara­fan­tsika sy Morondava ity fiofanana tany Ampefy ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Ireo lalàna tsara ho fantatra:

Didy hitsivolana 60-126 : Mikasika ny fihazana, ny fanjonoana, ny fiarovana ny biby
Didy hitsivolana 62-020: Mandrara ny fihazo­nana varika
Didy hitsivolana 60-127: Ny fanadiovana ny tany sy ny doro-tanety
Didy hitsivolana 60-128: Mamaritra ny fomba azo ampiharina amin’ny fandikan-dalàna amin’ ny ala, ny fihazana, ny jono ary ny bibidia.

Lalàna 2005-018: Mikasika ny biby sy ny zavamaniry (Cites)
Lalàna 2006-400: Ny biby, izay misy karazany telo: ny biby arovana rehetra, ny biby mpanimba ary ny biby fihaza
Lalàna 2015-005: Fanavaoazana ny fehezan-dalàna mifehy ny Faritra arovana (Coap)
Lalàna 2015-053: Mikasika ny jono, ary nohavaozina ny 2018-026

Didim-pitondrana lah.3142/2010: Mandrara ny fanamboarana harato madinika (moustiquaire).
Didim-pitondrana lah.290/ 2018: Mandrara ny fampiasana ny harato madinika
Didim- pitondrana lah.97/017: Fitantanana ny ala
Didim-pitondrana iraisan’ny minisitera lah. 32100/2014 : Mandrara ny fitrandrahana hazo honko

Partager sur: