Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana letisia eto Madagasikara, ny talata 21 novambra, tamin’ny 3 ora tolakandro lasa teo. Nomarihina tany amin’ny sakana ekonomika any Analamalotra, lalam-pirenena fahadimy mialoha ny fidirana an’ i Toamasina izany.
Mbola betsaka ireo mpanangom-bokatra tsy nahafeno fepetra amin’ny maha ara-dalàna ny antontan-taratasy ilaina rehetra amin’ny fanaovana izany. Tsy nametraka olana momba izany nefa ny solontenam-panjakana mba tsy hahasimba ny vokatra letisia. Fepetra noraisin’izy ireo ny hametrahana ny mpikirakira sy ny “Guichet unique” eny amin’ny lalam-pirenena. Tsy maintsy mahafeno ny antontan-taratasy rehetra kosa ny fiverenan’ny fiaran’ny mpanangom-bokatra fanindroany izay hivoaka an’ i Toamasina.
Amin’ny ankapobeny, fidiram-bola haingana sy manome asa ny sokajin’ olona maro ny fotoam-piotazana letisia toy izao. Mitady hevitra hangatahana fotoana tsy hiasana avokoa na hatramin’ny mpiasam-panjakana na orinasa tsy miankina, ny mpiasa mpanampy an-trano aza amin’izao fotoana izao. Hanaovan’izy ireo ny asa letisia, noho izy io vola mihodina haingana, raha ny fanadihadiana natao. Ankoatra izay, betsaka ny asa foronin’ny fotoam-piotazana. Anisan’izany, ny fitateran’ny fiara sy kalesa, fivarotana sakafo masaka manakaiky ny ivontoerana fampidirana letisia, ny fanaovana garaba sy famarotana an’izany eny amin’ny toerana rehetra eny. Vidina 20 000 Ariary ny iray garaba na kesika amin’izao vanim-potoanany izao.
Betsaka ny renim-pianakaviana maka sy mivarotra ireny ravinala ireny. Akora iray tsy afa-misaraka amin’ny garaba sy kesika izany raha hanao ny asa mahakasika ny letisia.
Hanondrana 18 000 taonina
Ankoatra ny fanaparitahana ny vokatra letisia manerana ny faritra maro eto amin’ ny Nosy. Anisan’ny manondrana io vokatra io any ivelan’i Madagasikara ihany koa ny eto an-toerana. Toy ny any Eoropa, Azia, Etazonia, Dubaï sy ny maro samihafa. Hotaterin’ny sambo roa sy fiara-manidina izany. Raha mbola misy ny alaina amin’ny sambo hafa izay hiandraiketan’ny mpandraharaha vaventy mpanondrana manokana. Tombanana hahafeno ny vokatra naondran’i Madagasikara ho 18 000 t izany rehetra izany raha tsy misy ny olana.
Nahitam-pihenana ny isan’ny mpandraharaha mpanondrana vokatra letisia raha oharina tamin’ny fotoam-piotazana teo aloha. Tsy nisy afa-tsy 28 izy ireo amin’ izao taom-piotazana 2023-2024 izao. Raha toa ka 31 izany tamin’ny taon-dasa ary 35
ny taona 2021. Niakatra kosa ny isan’ny mpanangom-bokatra nahazo fahazoan-dalana teo anivon’ny faritra. Manodidina ny 1 170 izany raha tsy nisy afa-tsy 1 075 izany tamin’ny taon-dasa, nahatratra 2 130 kosa ny taona 2021.
Mirongatra ny valanaretina samihafa
Mahabetsaka ny karazana aretina maro ny vanim-potoana fiotazana ny vokatra letisia toy izao, raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny BMH. Izy ireo izay misahana manokana ny fahadiovana eny rehetra eny sy anivon’ny orinasa. Anisan’ny anjara andraikitr’izy ireo ny manara-maso ny fahadiovan’ny toeram-piasana, ny toeram-pivoahana, ny “EPI” na ny fitaovam-piarovantenan’ny mpiasa , ny toeram-pisakafoana ary ny aroloza.
“Mirongatra izao ny valanaretina ka mitarika amin’ny tazo, fivalanana ateraky ny letisia, noho izy io vokatra tsy ampy orana na tsy masaka tsara”, hoy ny fanazavan’ny mpitsabo eo anivon’ny BMH hatrany. Nilaza izy fa ilàna fanaraha-maso ny ankizy ny amin’ny fihinanana izany.
Anisan’ny nametrahan’ny governoram-paritra any an-toerana ny fepetra ny tsy tokony hisian’ny fako mivangongo any an-tapon-tanàna, aorian’ny fotoam-piotazana letisia. Nandray mpiasa aman’arivony ny orinasa mpanondrana letisia mandritra izao fotoam-piotazana izao. Misy ny miasa alina, ary misy ny miasa atoandro amin’ny karazan’andraikitra maro samihafa.
Nanatontosa : Sajo